Anganon'ny Ntaolo - 50) Ifaramalemy nivadihan'Ikotobekibo
Nony lehibebe kosa izy mianadahy dia lasa tia tena Ikotobekibo ka tsy navelany hihaza any amin’ilay toerana be biby Ifaramalemy ary tsy nozaraina sakafo rahateo. Nanaiky tsy satry Ifaramalemy ary valala no nosamboriny hataony sakafo.