Anganon'ny Ntaolo - 10) Rapeto, ilay goaibe
Indray hono, dia nisy an’izany atao hoe Rapeto izany. Lava izy, tena lava, lava loatra hany ka na ny lanitra aza takany.
Indray hono, dia nisy an’izany atao hoe Rapeto izany. Lava izy, tena lava, lava loatra hany ka na ny lanitra aza takany.
Tany anaty ala atsinanana izy no nahandro ny variny. Tany andrefan’Antananarivo izy no nihinanam-bary sy nipetraka. Ambohidrapeto no anaran’ilay vohitra izay vohitra mitondra ny anarany rahateo. Tany avaratr’Antananarivo izy no nilalao, tany Ambohitrarahaba.
Ary satria izy goaibe, izany hoe lava dia lava loatra mihoatra ny rehetra,
dia indray mandingana izy avy eny Ambohidrapeto ipetrahany ka hatreny Ambohitrarahaba filalaovany. Ny dian-tongony hono dia mbola tazana ao Ambohitrarahaba, ary ireny loadoaka amin’ny vatolampy rehetra ireny dia dian-tongony avokoa.
Indray mandeha hono, nanondro ny volana ny zanany ary nidongy tamin’ny rainy haka azy hataony kilalao. Dia tsy nahatanty ny rainy fa lasa nisambotra ny volana. Tsy nanaiky kosa ny volana hoe halaina tsotra izao ka nasiany diamanga Rapeto.
Ny atao hoe asiana diamanga dia asiana daka mihodina. Ny diamanga kosa dia haiady mampiasa tongotra indrindra indrindra, fahiny fanaon’ny zanak’Imerina.
Dia izay no nahafaty an-dRapeto, saika hanome ny volana ny zanany izy, kinanjo tsy nanaiky ny volana ka nasiany diamanga.