Anganon'ny Ntaolo - 11) Imatsoanala foy avy ao anaty atody

Indray andro hono nisy vorona lehibe dia lehibe nantsoina hoe ​Ivorombe​ nanao trano teo amina nosy iray izay.

Anganon'ny Ntaolo - 11) Imatsoanala foy avy ao anaty atody
audio-thumbnail
11
0:00
/192.096

Indray andro hono nisy vorona lehibe dia lehibe nantsoina hoe ​Ivorombe​ nanao trano teo amina nosy iray izay. Nanana olombelona mpanompo izy antsoina hoe ​Iangoria​ hiandry tranony rehefa tsy ao izy fa lasa niremby zavatr’olona izay nahafinaritra azy sy nilaina rehetra izao.

Nanatody àry Ivorombe, dia nikotrika. Foy ny atodiny, ary lasa nanidina avokoa ny vorona rehetra afa-tsy atody iray monja izay tsy nety foy. Saika nataon’Ivorombe sy Iangoria laoka ilay atody saingy isaky ny mampahatsiahy an’Ivorombe Iangoria dia hoy foana Ivorombe hoe aleo rahampitso.

Koa foy ilay atody ny farany ary akory ny hagagan’Iangoria fa tsy vorona no nipoitra avy ao fa olona. Niantsoantso avy hatrany an’Ivorombe izy. Hoy kosa Ivorombe nahita an’ilay olona:

​Zanako ity! Ary ny anarany dia ataoko hoe Imaintsoanala.​

Dia nanamboarany vata kely lavalava hampandriana an’ilay zaza, dia lasa izy niremby ombivavy hahazoany ronono omena an’Imaitsoanala. Iangoria kosa no niambina an’ilay zaza.

Nony tafaverina Ivorombe niaraka tamin’ilay ombivavy dia hoy izy:

​Maimbo olombelona! Maimbo olombelona!​

Hoy kosa Iangoria:

Iza moa no olombelona hiditra ato raha tsy izahay mianaka ihany no dia ataonao hoe maimbo olombelona?​”
​Nataoko ho nisy olona niditra tato ka lasany ianareo​, hoy Ivorombe.

Nony efa lehibebe Imaitsoanala, dia nisy ingahindriana iray nandalo ka nahita azy avy lavitra. Ivorombe tamin’izay lasa niremby zavatr’olona tany ka Iangoria ihany no tao an-trano. Niampita rano avy hatrany ilay ingahindriana ary nony tonga tao an-trano vao hitan’Iangoria ka hoy izy taminy hoe:

​Zanak’Ivorombe io, ry ingahindriana, masiaka be ny reniny fa aza fady re, aoka hianareo handeha sao hahita angano eto​!

Dia lasa ilay ingahindriana ary nony tonga Ivorombe dia hoy izy hoe:

​Maimbo olombelona! Maimbo olombelona!​
​Iza moa no olombelona hiditra ato raha tsy izahay mianaka ihany no dia ataonao hoe maimbo olombelona?​”
Nataoko ho nisy olona niditra tato ka lasany ny zanako​, hoy Ivorombe.

Nony tonga tany an-tranony kosa ilay ingahindriana dia nilaza tamin’ireo vadiny hoe misy tovovavy tsara tarehy loatra hitany ka afaka tapa-bolana tsy maintsy hiverenany dia halainy ho vady.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨