Anganon'ny Ntaolo - 12) Imaitsoanala nitsoaka avy ao an-trano

Hoy ​Andriambahoaka​ tamin’ireo vadiny raha niresaka ny fikasany haka vady an’Imaitsoanala​ izy

Anganon'ny Ntaolo - 12) Imaitsoanala nitsoaka avy ao an-trano
audio-thumbnail
12
0:00
/180.32

Hoy ​Andriambahoaka​ tamin’ireo vadiny raha niresaka ny fikasany haka vady an’Imaitsoanala​ izy:

​Ahoana raha mba halaiko ho vady izay tovovavy tsara tarehy loatra izay fa dia mahonena loatra isika ireto tsy mba manana zanaka handimby?​

Dia nanaiky ireto vadiny, ary nitso-drano azy koa lasa àry Andriambahoaka haka vady an’Imaitsoanala, tapa-bolana taorian’ny nahitany azy voalohany.

Nony tonga tany an-tranon’Imaitsoanala teo amin’ilay nosikely izy dia avy dia nampandrosoin’Iangoria fa tsy nasainy nandeha intsony toy ny tamin’ny voalohany. Gaga ihany Andriambahoaka, ary nanontany izy hoe inona no antony nampiova fihetsika an’Iangoria. Dia namaly Iangoria hoe matahotra an’Ivorombe izy tato ho ato izay, matahotra izy sao sanatria handratra an’Imaitsoanala izy ny farany.

Akory ny hafalian’Andriambahoaka nahare izany nefa kosa hoy Imaitsoanala:

​Mahafinaritra ahy ianao, ry ingahindriana, ary na izaho aza efa te hiala ato mafy saingy izao, masiaka izaitsizy ny reniko ka mandehàna re sao hahita angano ato​!

Dia namaly ilay ingahindriana hoe tsy olana izany fa hainy ny hiaro ny tenany sy hiaro an’Imaitsoanala. Faly Imaitsoanala nahare izany ka teo no ho eo ihany izy roa no lasa, saingy naka tsaramaso sy katsaka ary voam-bary kosa Imaitsoanala.

Nanontany i Andriambahoaka hoe atao inona. Ho hitanao eo, hoy Imaitsoanala, sady nipimaso izy.

Fotoana fohy taty aoriana, tonga Ivorombe, tezitra mafy izy nahare tany amin’Iangoria hoe lasa nanaraka lehilahy ny zanany. Teo no ho eo ihany izy dia nanidina nikaroka an’Imaitsoanala. Nony kelikely, nahatazana tsaramaso raraka izy tamin’ny tany, ka tsy naharitra fa nitsimpona, dia nitondra izany nody. Avy eo, nahatazana katsaka raraka izy, dia tsy naharitra fa nitsimpona, dia nitondra izany nody. Elaela kokoa ny nitatitra an’ireo katsaka nody. Farany, nahatazana voam-bary izy, dia tsy naharitra fa nitsimpona, dia nitondra izany nody. Vao mainka ela ny nitatitra voam-bary.

Efa lasa lavitra loatra Andriambahoaka sy Imaitsoanala ka tsy tratrany intsony.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨