Anganon'ny Ntaolo - 14) Andrianoro sy Ramanongavato

Indray andro hono, nanan-janaka mirahalahy Andriambahoaka mivady.

Anganon'ny Ntaolo - 14) Andrianoro sy Ramanongavato
audio-thumbnail
14
0:00
/357.568

Indray andro hono, nanan-janaka mirahalahy Andriambahoaka mivady. Ny zokiny nitondra ny anarana hoe Ramanongavato ary ny zandriny, ​Ramahaimanana​. Ilay zandriny Ramahaimanana no tian’ny raiamandreniny sy ny vahoaka satria hendry, malemy fanahy sady nahay nitondra vahoaka.

Ny atao hoe olona malemy fanahy dia olona mampiseho fitiavana, azo ifanarahana, tsara toetra.

Ilay zokiny Ramanongavato kosa, tsy tian’ny raiamandreniny sy ny vahoaka satria tezi-dava ary nihombo lalandava ny fialonany ny zandriny.

Tapaka àry ny heviny fa hovonoiny ny zandriny, dia mody noteneniny hoe ndao hiaraka hilomano ka nony teny amoron-drano dia novelesiny mafy ny lohany, ka torana Ramahaimanana dia natosiny tao anaty rano.

Nony avy eo, lasa haingana mody niantsoantso vonjeo Ramanongavato hoe lasan’ny voay Ramahaimanana, hoe efa impiry nandrara an-jandriny tsy hilomano izy fa mafy loha ny zandriny.

Dia tonga ny olona, nikaroka ny fatiny, saingy tsy hita popoka. Ra mandriaka no hita etsy sy eroa eo amin’ilay renirano manamafy ilay tenin-dRamanongavelo hoe lanin’ny voay. Dia nitomany ny iray tanàna, nalahelo mafy, nisaona azy. Ramanongavato kosa mody nitomany.

Afaka kelikely teo, somary lavidavitra niala ilay toerana nanosehan’ny zokiny an-dRamahaimanana, injany misy andian’omby miampita rano ary nony tafita dia indro Ramahaimanana tazana mifikitra ny tongon’iray amin’ireo omby.

Naka saina teo amoron-drano aloha izy, somary nisafo ny lohany maratra, tsy tonga dia nanapa-kevitra ny hiakatra any an-tanàna izy sao hifanehatra amin-dRamanongavato eo indray nefa izy ity maratra. Lasa kosa izy nankany amin-dRanakombe mivady mpisikidy​ ka nanontaniany hanao sikidy hahalalany hoe rahoviana no andro tsara hiakarana any an-tanàna.

Miakara amin’iry vohitra tandrifinao iry​, hoy Ranakombe sady nanondro, ​dia manaova akanjona anti-dahy, saròny tanteraka ny loha fa aleo aloha mbola tsy fantatry ny olona hoe velona ianao fa tsy fantatra hoe Ramanongavato irery ve no nifofo ny ainao sa manana mpiray tsikombakomba izy​.

Dia lasa Ramahaimanana niakatra ilay vohitra tandrifina, dia nanao akanjona anti-dahy, nosaronany ny loha.

Nifanena tamina mpiandry gisa izy dia nanova feo ka nanontany hoe an’iza ireto gisa ireto. Dia sady namaly hoe an-dRamahaimanana ireo, dia nitomany ireto mpiandry gisa.

Nifanena tamina mpiandry ganagana izy dia nanova feo ka nanontany hoe an’iza ireto ganagana ireto. Dia sady namaly hoe an-dRamahaimanana ireo, dia nitomany ireto mpiandry ganagana.

Nifanena tamina mpiandry ondry izy dia nanova feo ka nanontany hoe an’iza ireto ondry ireto. Dia sady namaly hoe an-dRamahaimanana ireo, dia nitomany ireto mpiandry ondry.

Nifanena tamina mpiandry omby izy dia nanova feo ka nanontany hoe an’iza ireto omby ireto. Dia sady namaly hoe an-dRamahaimanana ireo, dia nitomany ireto mpiandry omby.

Nangoraka ny fon-dRamahaimanana nahare ny fitiavan’ny vahoakany azy ka tapaka ny heviny hiakatra haingana ao an-tanàna fandrao matin’alahelo ny raiamandreniny sy ny vadiny ary ny havany mbamin’ny mpanompony.

Saika tonga dia hiditra tao an-trano nisy ny vadiny sy ny raiamandreniny izy no niahotra. Dia mody nanontany izy, nanova feo ihany hoe, saika hitady an-dRamahaimanana. Tsy nahavita namaly ny vadiny fa nigogogogo tao fotsiny. Ny raiamandreniny koa nitomany ary iny saika hamaly iny ny rainy no tonga dia niditra Ramahaimanana ary nanazava ny zava-nitranga.

Akory ny hafalian’ny vadiny sy ny raiamandreniny nahita hoe velona soamantsara, akory kosa ny hasosorany nahare hoe Ramanongavato no nifofo ny ainy. Nifampaka hevitra ry zareo hoe inona no hatao amin-dRamanongavato. Nony avy eo, novoroin’Andriambahoaka mivady ny vahoaka ary nasainy nijery tsara an-dRamahaimanana, izay mbola nanao fiakanjona anti-dahy, tsy fantatry ny olona hoe izy anie io.

Nesorin-dRamahaimanana tampoka ilay akanjo. taitra ny vahoaka sady nihoby no nanatona niarahaba azy.

Nony vita izay, dia hoy Ramahaimanana:

Mba hevero kely ange ry vahoaka, fa ny zokiko izao ihany no namono ahy, saingy tsy maty aho, noho ny fitahian-janahary. Ahoana hoy ianareo no atao amin’izany olona efa nahafoy ny iray tam-po aminy izany?​

Dia hoy ny vahoaka hoe vonoy fa efa namono tsy nahafaty fandrao hamono anao indray na hamono olon-kafa. Dia nanaiky Andriamabahoaka ka novonoina ho faty Ramanongavato, ary nanomboka teo hono ny famonoana olona voalohany indrindra.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨