Anganon'ny Ntaolo - 15) Andrianoro nahazo vady

Nisy andriandahy nalaza izay nantsoina hoe ​Andriambahoaka afovoan-tany.

Anganon'ny Ntaolo - 15) Andrianoro nahazo vady
audio-thumbnail
15
0:00
/234.08

Nisy andriandahy nalaza izay nantsoina hoe ​Andriambahoaka afovoan-tany.​ Nanana zanaka telo izy ka i ​Andrianoro​ no lahy tokana moa Ratalivola sy Ranakandriana no roa vavy. Nanankarem-be Andriambahoaka afovoan-tany saingy samy tsy mbola nisy nanambady ny zanany.

Indray andro àry nanatona an’Andriambahoaka afovoan-tany mivady i Andrianoro zanany lahy ka hoy izy hoe:

Ndeha mba angalao vady aho ry ikaky sy ineny!

Fomba mahazatra fahiny ilay hoe ny raiamandreny no mitady vady ho an’ny zanaka.

Dia lasa ny raiamandreny nikaroka vady saingy tsy nisy tian’Andrianoro na ny iray aza. Leony ny dadany ka hoy izy hoe:

I​zao anaka a! Aleo ianao ihany no hitady vady ho anao fa tsy hisahirana amin’izany intsony izahay!

Dia hadinodin’Andrianoro angaha ilay hoe haka vady satria tsy nitady akory izy fa olona no tonga tao aminy ka nilaza fa misy zatovovavy telo hatsaran-tarehin’izay olona izany any amorom-parihy any.

Koa teo no ho eo ihany Andrianoro dia lasa. Fa mpisikidy aloha no nokarohany voalohany. Dia nisy nanoro izy hoe ​Ranankombe​ no mahay indrindra. Dia lasa tany amin-dRanakombe izy. Rehefa novakiana ilay sikdy dia hoy izy:

​Rehefa misy olona manatona io zatovovavy io, dia manidina mankany an-danitra avy hatrany izy”!

Dia nanohy izy hoe miovà ho lasa hazomboasary Andrianoro ka rehefa mioty voasary ilay zatovovavy dia miverena ho olona dia sambory izay tianao amin’izy telo. Dia niova voasary Andrianoro nefa tsy nanatona an’ilay voasary mihitsy izy telo vavy satria efa mahina izy hoe hatrizay tsy nisy voasary teo koa tampotampoka teo indray ve.

Dia niverina tany amin-dRanakombe i Andrianoro nitantara ny zava-misy dia hoy ity farany hoe miovà ho lasa rano mangamanga eo ampovoan’ny farihy dia sambory izay tianao amin’izy telo.

Dia niova rano mangamanga teo ampovoan’ny farihy i Andrianoro nefa tsy nanatona azy mihitsy izy telo mirahavavy satria efa mahina izy hoe hatrizay tsy nisy rano mangamanga koa tampoka teo indray ve.

Dia niverina tany amin-dRanakombe i Andrianoro nitantara ny zava-misy dia hoy ity farany hoe miovà ho lasa vitsika eo am-pasiky ny farihy dia sambory izay tianao amin’izy telo.

Dia niova ho vitsika teo am-pasiky ny farihy i Andrianoro nefa tsy nanatona azy mihitsy izy telo mirahavavy satria efa mahina izy hoe hatrizay tsy nisy vitsika teo koa tampoka teo indray ve.

Dia lasa saina i Andrianoro ary niverina tany amin-dRanakombe izy nilaza ny zava-nitranga. Ka hoy Ranakombe hoe mandehana fotsiny indray àry ianao mankeny dia resaho tsotra fotsiny.

Gaga Andrianoro sady faly.

Dia nankeny izy, nanatona, dia nanaiky niresaka taminy izy telo mirahavavy fa tsy nandositra nankany an-danitra.

Ny olona miezaka mamitaka sy maka anay an-keriny, hoy izy telo mirahavavy, no tsy horesahanay mihitsy fa ianao Andrianoro, niezaka nanatona tsotra izao.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨