Anganon'ny Ntaolo - 16) Andrianoro sy Rafara nisidina any an-danitra

Nanambady ny iray tamin’izy telo mirahavavy i Andrianoro.

Anganon'ny Ntaolo - 16) Andrianoro sy Rafara nisidina any an-danitra
audio-thumbnail
16
0:00
/153.568

Nanambady ny iray tamin’izy telo mirahavavy i Andrianoro. Rafara no anarany.

Indray andro àry, hoy Rafara tamin’​Andrianoro​ hoe te hilalao tandroka lalomena izy.

Ny atao hoe lalomena dia hippopotame kely fahiny, nisy tandroka izy io.

Dia lasa Andrianoro, naharitra ela anefa ny diany ka nivadika ny raiamandreniny sy Ratalivola​ zanany vavy ka nikononkonona ny hamono an-dRafara fa hoe mandefa lavitra an’Andrianoro fotsiny hono.

​Andao omeo barandro, hoy Ratalivola. Henoko niresaka Andrianoro sy Rafara fa hoe raha misotro barandro Rafara dia maty avy hatrany​

Ny atao hoe barandro dia fomba fiantso ny toaka ihany koa.

Nanaiky ny raiamandreniny, dia lasa izy ireo naka barandro ka notapohany tantely izato izy amin’izay tsy ho fantatry Rafara raha tsy efa tara loatra. Soa anefa fa henon-dRanakandriana, ilay anabavy kelin’Andrianoro iray izany ary avy hatrany dia lasa izy nitatitra izany tany amin-dRafara.

Nalahelo mafy Rafara. Ary rehefa injay henony fa tamy ny rafozany sy ny zaobaviny miaraka amin’ilay tantely misy barandro hahafaty azy dia lasa izy nanidina nankany any an-danitra.

Nony tafaverina Andrianoro, dia nalahelo mafy izy rehefa notantarain-dRanakandriana azy ny zava-nitranga ary noroahiny ny raiamandreniny sy Ratalivola anabavy ka notrerominy nanao hoe:

​Raha tsy mandeha ianareo dia ny vahoaka no hamono anareo, efa mangidy hoditra aminy rahateo ianareo!​

Dia lasa izy telo mianaka nirenireny tsy hay intsony hoe aiza. Andrianoro nalahelo, niandrandra ny lanitra, nanatena an-dRafara hiverina tsy ho ela.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨