Anganon'ny Ntaolo - 17) Andrianoro haka an-dRafara any an-danitra
Nanatona an-dRanakombe mpisikidy mivady Andrianoro fa nalahelo mafy an-dRafara izay lasa niverina tany an-danitra.
Nanatona an-dRanakombe mpisikidy mivady Andrianoro fa nalahelo mafy an-dRafara izay lasa niverina tany an-danitra. Nibaboka izy hoe malahelo mafy an-dRafara, ary te hampody azy ka inona no atao. Hoy Ranakombe rehefa avy namelatra sikidy hoe aza manahy fa malahelo anao ihany koa Rafara saingy sarotiny dia sarotiny ny dadany.
Raha te hanambady an-dRafara ianao dia izao no tsy mila tanterahinao rehefa tonga any. Mila maka angady arivo milevina anaty farihy feno voay, mila mahafantra hoe iza no reniomby amin’ireo omby arivo mitovy tsisy valaka, mila mahafantatra hoe iza no Rafara, satria mitovy tsisy valaka izy sy ny reniny ary ny rahavaviny. Raha tsy vitanao ireo, dia vonoin’ny rainy ianao, raha vitanao kosa, dia miverina miaraka ianareo.
Sarotra izy izany hoy Andrianoro fa tsy maintsy vitako. Dia lasa izy nankany an-tsaha ary niantsoantso ireo biby amam-borona ka nony tonga izy ireto dia namono omby izy hohanin’ireto biby ary nambarany taminy ny ahiahiny. Nanome toky azy kosa ireto biby amam-borona fa hanampy azy.
Dia iny izy no lasa. Nony tonga teo am-bavahadin’ny lanitra izy dia taitra Rafara nidodododo tany aminy sady nitalaho azy hiverin-dalana.
Miverena re ianao Andrianoro fa masiaka dia masiaka ny raiko! Rehefa miteny anie ka varatra no mikotroka!
Ren’ny rainy anefa izany koa nikotroka mafy ny varatra. Tsy nampatahotra an’Andrianoro anefa izany. Nony hitan-dRafara fa tsy hiverin-dalana Andrianoro dia nampandrosoiny tsy satry ary nafarany hoe ho mafy ny hahazo anao. Namaly kosa Andrianoro hoe efa nankany amin-dRanakombe izy ary efa nolazainy ka efa naka fepetra izy. Faly kely Rafara nahare izany fa nanafatrafatra kosa hoe mahaiza manetry tena rehefa mihaona amin-drainy.
Nony tonga tao an-trano, dia nampandroso azy ny raiamandrenin-dRafara ka nikotroka indray ny varatra ka torana Andrianoro. Notsofina elaela teo izy vao taitra. Rafara telo no tazany. Tsy azony an-tsaina na ny kely aza hoe iza amin’ireo olona ireto no tena Rafara. Mipetraha ianao etsy avarapatana, hoy ry zareo. Tsy nety anefa Andrianoro fa naleony teny atsimompatana.
Mari-panajana lehibe ho an’ny vahiny izany apetraka eo avarapatana izany
Rosoy vary amin’ny loviako izy, hoy indray ry zareo. Tsy nety ihany anefa Andrianoro fa naleony lovian’ny mpanompon-dry zareo no nampiasaina. Ary teo no nanontany avy hatrany ny dadan-dRafara hoe haka vady an-janany angaha no anton-dian’Andrianoro sady nikotroka indray ny varatra. Eny hoy izy, tsy nisalasala, sady nihozongozona ihany.
Dia raikitra àry ireo nambaran-dRanakombe. Koa niantso ireo biby amam-borona nanao fanekena taminy Andrianoro. Ny voay nampiakatra ireo angady arivo, ny lalitromby nipetraka teo amin’ny oron’ireo reniomby ahafantatr’Andrianoro hoe iza no reniny, ary ny voronkely nipetraka teo an-tsoroky Rafara afahantar’Andrianoro hoe tsy ny reniny izato izy na ny rahavavany izay mitovy tanteraka aminy avokoa.
Talanjona ny dadan-dRafara ary tsy nanakana ny fanambadiana izy sady faly rahateo. Nisidina niverina teny an-tany Andrianoro sy Rafara ary ravoravo aoka izany Ranakandriana anabavin’Andrianoro nahita azy tafaverina soamantsara.