Anganon'ny Ntaolo - 18) Ramanahadreny sy Rabenimiehaka sarotiny

Indray hono nisy lehilahy mpanan-karena antsoina hoe Rabenimiehaka.

Anganon'ny Ntaolo - 18) Ramanahadreny sy Rabenimiehaka sarotiny
audio-thumbnail
18
0:00
/204.576

Indray hono nisy lehilahy mpanan-karena antsoina hoe Rabenimiehaka. Nanan-janaka vavy izy, Ramanahadreny no anarany satria nitovy tsisy valaka tamin’ny reniny. Nisy tonga àry nangata-bady ity zanany vavy, Andriambahoaka avaratra no anarany.

Hoy Rabenimiehaka taminy hoe ekeko ianao ho vinantoko raha vitanao rehefa manaraka ireto: miasa ny taniny midadasika dia midadasika, manapaka an’izay hazobe izay, maka vola iray farantsa ao anaty kamory, mamantatra hoe iza no voalohan’ombiny, izany hoe iza no antitra indrindra, mamantatra hoe iza ny zanany amin’ny reniny.

Ny atao hoe kamory dia rano kelikely kokoa noho ny farihy ary lehibebe kokoa noho ny dobo, antsoina amin’ny teny frantsay hoe étang.

Dia niantso ny vahoakany Andriambahoaka avaratra hiaraka hiasa tany miaraka aminy. Andro iray dia vita ilay asa, izy rahateo zatra miasa tany. Variana Rabenimiehaka. Rehefa nangataka ny vahoakany hikapa ilay hazobe Andriambahoaka avaratra dia hoy ireto farany hoe tsy azo kapaina ilay hazo fa hazon-javatra.

Ny atao hoe zavatra dia karazana fanahy inoan’ny olona ka atahorana.

Nitsoraka tao anatin’ilay kamory Andriambahoaka avaratra nony avy eo fa tsy nahita an’ilay vola iray farantsa ka niverim-potsiny. Niezaka nizaha kosa izy hoe iza no voalohan’omby fa tsy hitany. Ary niezaka namantatra izy hoe iza no Ramanahadreny dia iza no reniny fa tsy hitany ka naleony tsy niteny.

Mila vintana ny fanambadiana hoy Rabenimiehaka. Niverina nody Andriambahoaka avaratra, nangasihasy.

Tonga indray àry Andriambahoaka atsimo nangata-bady an-dRamanahadreny. Dia mitovy ihany ny zavatra nolazain-dRabenimiehaka taminy. Dia toy ny tamin’Andriambahoaka avaratra, tsy vitany ny nangatahana taminy, dia niverina nody izy nangasihasy sady sosotra mihitsy aza.

Dia toy izay ihany ny amin’Andriambahoaka atsinanana. Ny amin’Andriambahoaka andrefana akory dia tsy navelan-dRabenimiehaka niditra tao an-tanàna akory satria olona efatra fotsiny no niaraka taminy ary tsy nisy filanjana akory.

Indray andro, dia tafahoana ireo Andriambahoaka efatra ireto ka samy niaiky hoe sarotiny ilay atao hoe Rabenimiehaka.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨