Anganon'ny Ntaolo - 5) Rasoamielomanga

Indray andro hono nisy tovovavy nalaza noho ny hatsaran-tarehiny sy hareny.

Anganon'ny Ntaolo - 5) Rasoamielomanga
audio-thumbnail
5
0:00
/126.592

Indray andro hono nisy tovovavy nalaza noho ny hatsaran-tarehiny sy hareny. Rasoamielomanga​ no anarany, ary maro no te haka vady azy saingy tsy nety hatrany izy.

Nony lehibebe izy dia nisy tovolahy anankiray izay no somary nahafinaritra azy nefa lasa tampoka ity tovolahy, nankany amina reninareo iray ary tsy niverina intsony. Niasa saina Rasoamielomanga hoe nisy inona ary nankaiza ilay tovolahy no toa tsy niverina koa lasa izy nankany amin’ilay renirano.

Dia taitra koa ny iray tanàna fa tsy niverina Rasoamielomanga. Taitra ny rainy hoe nankaiza ny zanany vavy, taitra ny rain’ilay tovolahy hoe nankaiza ny zanany lahy.

Koa tsy niandry ela izy ireo, tsy nahavita nametraka ireo voatavo teny an-tanany akory, fa tonga dia nirohotra nankany amin’ilay renirano.

Nony tonga tany amin’ilay renirano anefa dia tsy nahita ireo zanany ireto rain’izy roa kely ka dia nalahelo mafy, nitomany mihitsy, nihevitra fa lanin’ny voay. Tampoka teo anefa, nisy feo toa nivoaka avy ao anaty rano, toa feon-dRasoamielomanga izato izy, izay manao hoe:

​Aza malahelo, ry dada, fa ato izahay roa, ary efa mpivady izahay izao.​

Ary nanomboka teo hono ny olona fahiny, rehefa te hahazo zaza dia mamonjy renirano, miaraka amin’ny voatavo.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨