Anganon'ny Ntaolo - 21) Zanak'Ifaranomby lasa Razafimbolamena

Tafaverina avy niantafika Andriambahoaka atsimo ela ny ela.

Anganon'ny Ntaolo - 21) Zanak'Ifaranomby lasa Razafimbolamena
audio-thumbnail
21
0:00
/241.568

Tafaverina avy niantafika Andriambahoaka atsimo ela ny ela. Ary nanontany avy hatrany izy, hoe aiza ny vadiny, aiza Ifaranomby. Namaly avy hatrany ireto vadiny ankiroa hoe maty izy, fa ratsy vintana raha samy olona fa maty tao anaty torimaso. Nalahelo Andriambahoaka atsimo, satria Ifaranomby no vadiny tiany indrindra.

Nanontany indray izy nony avy eo, hoe nankaiza ny zanany. Dia hoy ihany ireto vadiny ankiroa hoe nony maty Ifaranomby dia maty ihany koa ilay zanany. Vao mainka nalahelo Andriambahoaka atsimo sady tezitra ihany koa, nampiantso ireo roapolo lahy sy roapolo vavy nasainy niambina an’Ifaranomby.

Natahotra izaitsizy izy roavavy sady tonga dia nandà mafy hoe aza antsoina ry zareo fa lasa niasa tany avokoa fa efa ho avy ny haintany. Tsy mahina Andriambahoaka atsimo ary raha tsy izy nandehandeha teny rehetra teny nahita zazalahy kely mitovy endrika aminy, malotoloto toy ny tsy manana trano izany, nitomany teo amina fasana nisy hazo naniry tsy tonga saina izy hoe inona no tena nitranga.

Natoniny ilay zazalahy kely, variana izy nahita ny endriny, ary variana izy nahita anazy nitomany teo amin’ilay fasana. Nanontaniana hoe rainy angaha ilay maty ao. Tsia, hoy ilay zazalahy kely, tsy rainy fa reniny. Dia nanontany indray izy hoe ary nankaiza kosa ny rainy.

Tsy haiko , hoy ilay zazalahy kely.

Nolazain’ireny ramatoa ankiroa ireny fa olona sendra nandalo dia lasa tsy hiverina intsony. Dia nilaza ihany koa izy hoe aza tenenina ry zareo hoe nahita anazy teo fa mikasa ny hamono azy ireo vehivavy ankiroa ireo.

Variana ihany koa ilay zazalahy kely nahita ny endrik’Andriambahoaka atsimo hoe mitovitovy aminy fa mbola tsy tena nampiraika an-dry zareo loatra. Nisy omby nandalo tamin’izay, ary vao nandalo ilay omby dia vao mainka nitomany ilay zazalahy kely. Nanontany Andriambahoaka atsimo hoe fa maninona no vao mainka mitomany ka hoy ny navaliny hoe mampahatsiaro azy ny reniny. Taitra Andriambahoaka atsimo, ka nanontany hoe iza no anaran’ny reniny. Ary teo ilay zazalahy kely no niteny hoe Ifaranomby.

Azon’Andriambahoaka atsimo avy hatrany ny zava-nitranga. Hoe ireo vadiny ankiroa no namono an’Ifaranomby, ary ity manoloana azy ity kosa, zanany, moa ireo izay mikasa ny hamono an-janany sy nandainga taminy dia ireo vadiny ankiroa ireo ihany. Nentiny nody ilay zanany lahy, noroahiny hiala tao an-tanàna ka tsy hiverina intsony ireo vadiny ankiroa, ary nananganany rova teo amin’ny fasan’Ifaranomby ilay zanany lahy, izay nomeny ny anarana hoe Razafimbolamena.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨