Anganon'ny Ntaolo - 13) Imaitsoanala tratran'Ivorombe
Indray andro àry, hitan’Ivorombe ihany Imaitsoanala koa nanamparany ny hatezerany.
Indray andro àry, hitan’Ivorombe ihany Imaitsoanala koa nanamparany ny hatezerany. Nesoriny ny mason-janany ary nendahany ny hodiny.
Tsy nanambady an’Andriambahoaka akory Imaitsoanala fa paika hialana tao an-trano fotsiny izay ary niaina irery tany anaty ala, teny amorom-parihy ka taona vitsivitsy taty aoriana vao tratran’Ivorombe. Kisendrasendra fotsiny, sendra nanidina izy, saika hiremby zavatr’olona, no nahare feon-jazavavy nihirahira, feon’Imaitsoanala, koa tonga dia nanamparany ny hatezerany
Dia lasa Ivorombe nody ka napetrany teo ambonin’ny fatany ny maso sy ny hoditr’Imaitsoanala.
Gaga izy nony avy eo, fa nitomany ilay maso, ka namono ny afony tao am-patany izany ranomaso izany. Ka nankany amin’Imaitsoanala izy hoe misy inona.
Mangatsiaka aho, nendahinao ny hoditro, hoy Imaitsoanala.
Dia niremby akanjon’olona tany Ivorombe dia nampitafiany an’Imaitsoanala dia lasa izy.
Gaga indray izy nony avy eo, fa nitomany ilay maso, ka namono ny afony tao am-patany izany ranomaso izany. Ka nankany amin’Imaitsoanala izy hoe misy inona.
Noana aho, nendahinao ny masoko, tsy afaka mihaza aho, tsy afaka manjono, tsy afaka mikarakara sakafo, hoy Imaitsoanala.
Dia niremby sakafon’olona tany Ivorombe dia nomeny an’Imaitsoanala dia lasa izy.
Gaga indray izy nony avy eo, fa nitomany ilay maso, ka namono ny afony tao am-patany izany ranomaso izany. Ka nankany amin’Imaitsoanala izy hoe misy inona.
Menatra aho, ihomehezan’ny olona aho hoe jereo anie iny goa-maso sy tsisy hoditra iny, mba zanak’iza loatra àry iny!, hoy Imaitsoanala.
Dia taitra Ivorombe nahare hoe ihomehezan’ny olona ny zanany ka nalainy ny masony, dia napetany ary nalainy ilay hoditra dia napetany.