Anganon'ny Ntaolo - 7) Rafarazanadrano nandositra

Rehefa tsy eo hono ilay ingahindriana vadin-dRafarazanadrano, dia miteny malefaka sy mihirahira ho an’ilay zanany hatrany izy

Anganon'ny Ntaolo - 7) Rafarazanadrano nandositra
audio-thumbnail
7
0:00
/257.568

Rehefa tsy eo hono ilay ingahindriana vadin-dRafarazanadrano, dia miteny malefaka sy mihirahira ho an’ilay zanany hatrany izy, fa rehefa eo kosa, na rehefa fantany misy olon-kafa dia tsy miteny izy tsy mivolana, ka mihevitra hatrany ny rehetra hoe moana izy.

Indray andro kosa anefa, nisy mpanompovavin’ilay ingahindriana izay nahare azy niteny. Tsy nanahy taminy Rafarazanadrano satria sady jamba izy ity no marenina. Tsy tena marenina anefa izy fa lalodalovana fotsiny.

Izany hoe, marenindrenina, tsy dia mahare tsara.

Ka ilay ingahindriana irery ihany no mahafantatra hoe mahare ihany anie izy io. Ka ataony mpitsikilo matetika.

Nony tafaverina aza ity ingahindriana dia nitatibolana taminy ilay mpanompony. Sady nanaitra azy izany no naharomotra azy hany ka nirohotra nankany amin-dRafarazanandrano izy sady nitabataba mafy.

Natahotra Rafarazanadrano, saingy tsy nety niteny izy na dia nandrahona mafy aza ilay ingahindriana. Rehefa hitany fa tsy hiteny, dia naka hazo izy dia novelivelesiny Rafarazanandrano ary tsy navelany raha tsy efa nalemilemy.

Tsy nety niteny hatrany anefa Rafarazanadrano fa ny masaka tao an-tsaina kosa dia ny hoe, vao mahita fotoana kely fotsiny izy tsy misy olona dia entiny mitsoaka ny zanany, dia iny izy mianaka no tsy hita intsony.

Indray mandeha izay àry lasa ilay ingahindriana nankany an-tsaha moa ilay mpanompovaviny variana nitanina andro. Dia nobaben-dRafarazanadrano ilay zanany kely ary iny izy notsaitsaika tsy nisy nahita nandositra ilay tanàna.

Nony tonga teny amoron’ilay rano fonenany izy dia nitaintaina kely. Fantany fa izy tenany tsy lenan’ny rano, afaka miaina ao ambany rano, ilay zanany kosa no tsy hainy loatra. Koa nandramanina natsoboka ny lohan-janany. Nitomany izaitsizy ity farany, natahotra mafy. Vao mainka natahotra ihany koa Rafarazanadrano.

Ambonin’izay, henony avy lavitra andian’olon tarihan’ilay ingahindriana mihazakazaka mankany amin’izy mianaka. Romotra dia romotra.

Notrotroiny ilay zaza dia nanomboka niditra tao anaty rano izy. Ny faladiany, ny ranjony, ny lohaliny, ny feny, ny kibony. Sady norotsirotsiany ilay zaza, noresahany malefaka no niditra tsimoramora tao an-drano izy. Nivanitika kely ilay zaza, variana nihaino ny feony. Ny endriky Rafarazanadrano kosa nitsikitsiky taminy, tsy nasehony mihitsy hoe natahotra izy na hoe nitaintaina.

Efa nanakaiky ilay ingahindriana sy ny mpanaradia azy ka avy hatrany dia natsoboky Rafarazanandrano tao an-drano niaraka taminy ilay zanany. Nitaintaina kely izy hoe hahavita miaina ve ilay zanany sa tsia.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨