Anganon'ny Ntaolo - 6) Rafarazanadrano tsy niteny tsy nivolana

Indray andro nisy tovovavy antsoina hoe ​Rafarazanadrano​ nonina tany anaty rano tany.

Anganon'ny Ntaolo - 6) Rafarazanadrano tsy niteny tsy nivolana
audio-thumbnail
6
0:00
/200.096

Indray andro nisy tovovavy antsoina hoe ​Rafarazanadrano​ nonina tany anaty rano tany. Nivoaka ny rano izy indray mandeha, ary nipetrapetraka teo amoron-drano no nisy ingahindriana​ nahatazana avy lavitra.

Variana ilay ingahindriana tamin’ny hatsaran-tarehiny ary avy hatrany dia ny hisambotra azy no nataony. Saingy tsy azony kosa, ary tafaverina tao anaty rano soamantsara Rafarazanadrano.

Vao mainka gaga ilay ingahindriana. Tazany mandehandeha ao anaty rano toy ny mandehandeha ety an-tany Rafarazanandrano, nefa tsy sempotra akory.

Dia lasa izy nankany amin-dRanakombe mivady.

​O ry izy mivady ô! Mba anaovy sikidy kely anie aho fa misy zazavavy tiako halaina ho vady atsy saingy nandositra tany anaty rano izy dia tsy niverina intsony. Nefa sady tsy maty fa mandehandeha ao.​

Dia namelatra sikidy Ranakombe dia niteny izy nony avy eo hoe tsy ho azon’ilay ingahindriana ilay zazavavy raha tsy fitahiny.

​Fitahina ahoana?​, hoy ilay ingahindriana.

Dia hoy Ranakombe taminy hoe mandehana miafina eo amoron-drano fa na ho ela na ho haingana tsy maintsy hivoaka ny rano ary hiverina eo iny zazavavy iny. Rehefa tonga izay fotoana izay, dia sambory haingana.

Dia lasa ilay ingahindriana niafina. Tsy ela akory dia iny fa nivoaka ny rano ilay tovovavy koa avy hatrany dia nosamboriny.

Zendana izy fa tsy lena akory na ny kely azy hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.

Dia nentiny nody Rafarazanadrano ka novoriany ny iray tanàna nilazany fa hanambady izy. Nanontany kosa ny olona hoe iza no ray aman-dreniny ary avy aiza ny fihaviany. Tsy namaly anefa Rafarazanadrano.

Kivy ilay ingahindriana, noheverina ho moana Rafarazanadrano. Tsy nanakana azy anefa izany fa nalainy ho vady ihany.

Taona vitsivitsy taty aoriana, teraka Rafarazanadrano ary rehefa tsy eo ilay ingahindriana, rehefa tsy misy olona mihitsy ka mitomany ilay zaza, dia iny izy no miteny aminy malefaka hoe:

​Mangina, mangina, ry sombinaiko!​

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨