Anganon'ny Ntaolo - 30) Namangy tany an-danitra

Namangy an’Imbahitrila ilay ​tovolahy​ nomeny sakafo ka nanome azy an’ilay atody angavola indray andro.

Anganon'ny Ntaolo - 30) Namangy tany an-danitra
audio-thumbnail
30
0:00
/379.072

Namangy an’Imbahitrila ilay ​tovolahy​ nomeny sakafo ka nanome azy an’ilay atody angavola indray andro.

​Ndao isika ho any an-danitra, lehiroa, hoy izy.

Nanaiky Imbahitrila sady faly rahateo.

Saingy izao kosa, hoy ilay tovolahy taminy, rehefa eny an-dalana mankany isika, dia hahita olona mifiaka fary, saingy tsy ny nofony no fiahiny fa ny taolany, hahita olona manamainty nify amin’ny tarobahy ialahy, karazana laingo izany, nefa ny taolany no ampiasainy fa tsy ny nofony, hahita olona, maka voninkazo ialahy, nefa ny molotr’ireo olona navelany tany an-trano. Aza misy ihomehezana izy ireny na ny kely aza fa misy antony.​

Nankatò izany Imbahitrila. Dia nanohy ilay tovolahy hoe:

​Hahita omby vondraka ialahy, nefa tanimena no lelafiny, hahita omby kaozatina ialahy, nefa ahi-maitso no haniny, hahita amboa goavana mipetraka eo am-bavahady ialahy, hahita saka goavana dia goavana mipetraka eo am-baravarana ialahy. Aza misy ihomehezana koa izy ireny​.

Nankatò hatrany Imbahitrila. Dia nanohy ilay tovolahy hoe:

Rehefa tonga any an-danitra kosa isika, dia asain’ny olona hamaky kitay eo andrefan-trano. Aza eo no mamaky, fa eo antsinanan-trano. Raha asainy mamaky kitay eo avara-trano, dia eo atsimo manao, raha eo atsimo, dia eo avaratra, hatrany hatrany.​ ​Rehefa asainy mipetraka kosa ialahy, dia asainy mipetraka eo amin’ny fiketraham-bolamena, na ny toerana fiandrianana, dia aza mipetraka eo fa aleo izaho no hipetraka eo, ary rehefa omeny hanina ialahy, dia vilia volamena sy sotro volafotsy no omeny ialahy, aza mety mandray, fa vilia tany halaina ary hano amin’ny tanana.​

Dia lasa Imbahitrila sy ilay tovolahy.

Dia nifanena tamin’ireo olona nifiaka fary izy, dia tsy nihomehazan’Imbahitrila fa nanontany kosa izy hoe fa dia nahoana loatra no tsy ilay nofony tsara ery no fiahina fa ilay taolana efa lany. Dia namaly izy ireo hoe matahotra laim-pary izy, izany hoe matahotra sao dia misy tsilotsilo kely ilay fary ka handratra azy. Dia nifanena tamin’ireo olona nanamainty nify tamin’ny tarobahy izy, dia tsy nihomehazany fa nanotaniany kosa hoe fa maninona no taolana no hanamaintisana nify fa tsy ny nofony. Dia namaly izy ireo hoe matohatra izy sao tsy ho hita eo intsony ny nifiny. Dia nifanena tamin’ireo olona maka voninkazo nefa tsy nana-molotra izy, dia nanontany hoe nankaiza ny molotrareo, dia hoy izy hoe, matahotra izy sao ho vakivaky ny molony noho ilay rivotra mangitsy ka naleony navela any an-trano.

Dia nandalo teo amin’ireo omby vondraka izy, dia nanontaniany hoe nahoana loatra no dia tanimena no lelafiny. Dia namaly ireto omby matavy be hoe asa, izany angaha no nanaovan’Andriamanitra azy. Dia nandalo teo amin’ireo omby kaozatina izy, dia nanontaniany hoe nahoana loatra no tsy mitombo nefa ahi-maitso no hanina. Dia namaly ireto omby mahia dia mahia hoe asa, izany angaha no vintany.

Variana Imbahitrila nony avy eo nahita ilay amboa goavana nipetraka teo am-bavahadin’ny lanitra sy ilay saka goavambe nipetraka teo am-baravarana trano iray. Tranon’ilay tovolahy izy io, ary teo Imbahitrila vao tonga saina hoe any an-danitra no mipetraka ilay tovolahy.

Nisy olona nampamaky kitay an’Imbahitrila teo andrefan-trano nony avy eo, teo atsinanan-trano Imbahitrila no namaky. Tampoka teo, nianjera ny varatra teo andrefan-trano. Nony masaka ny vary, dia niditra tao an-trano, dia nasaina nipetraka teo amin’ny fiketraham-bolamena izy, fa tsy nanaiky. Ilay tovolahy no nipetraka teo. Dia norosoina vilia volamena sy sotro volafotsy fa tsy nety nandray, vilia tany no nalainy.

Nony vita ny sakafo, dia naterin’ilay tovolahy niverina tety an-tany Imbahitrila.

Ravoravo aoka izany izy.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨