Anganon'ny Ntaolo - 31) Imbahitrila notafihan'ny raiamandreniny sy ny zokiny
Nony tafeverina tety an-tany Imbahitrila sy ilay tovolahy dia nanao lanonam-be niaraka tamin’ny vahoaka manontolo.
Nony tafeverina tety an-tany Imbahitrila sy ilay tovolahy dia nanao lanonam-be niaraka tamin’ny vahoaka manontolo. Avy eo, nitodi-doha ho any an-danitra ilay tovolahy sady nanafatra hoe efa namitaka an’Imbahitrila ireo raiamandreniny, koa mitandrema.
Tsy ela taty aoriana, tonga ireto raiamandreniny sy ny zokiny vonona hamono azy sy hangalatra ilay atody angavola ka haka ny fananany rehetra sy ny fanjakany. Nanontany Imbahitrila hoe dia sahinareo kosa ve ny hamono ahy. Dia nanamafy izy ireo hoe eny tokoa, sahiny mihitsy. Dia niteny Imbahitrila hoe eny àry, fa tsy matahotra aho. Nefa tsy te hiady Imbahitrila, fa niteny kosa hoe azony vidiana ilay atody angavola. Ariary folo no vidiny ary tsy maintsy ovaina osy kosa.
Nanaiky ireto raiamandreniny sy zokiny, na dia vola be aza ilay ariary folo tamin’izany andro izany. Dia nasain’Imbahitrila niova osy ilay atody angavola dia lasa ireto raiamandreniny sy ny zokiny rehefa nomeny ny vola. Nony tonga tany an-tanànany anefa izy ireo dia akory fa niofo ilay osy, niova ho atody angavola, dia niverina tany amin’Imbahitrila.
Tezitra mafy ireto raiamandreniny sy zokiny ka nanapa-kevitra haka ody mahery antsoina hoe Inalasompatra. Dia niantsy ady an’Imbahitrila indray izy ireto. Ary hitan’Imbahitrila fa tsy afa ny hitsitsy intsony izy dia raikitra àry ny ady.
Niova omby masiaka ilay atody angavola. Tonga dia niova kitay sy afo mandoro Inalasompatra hahamasaka an’ilay omby. Dia niova rano kosa ilay atody angavola hamonoana ilay afo mandoro. Dia niova voay avy hatrany Inalasompatra itelemany ilay rano moa ilay atody angavola niova maingoka, ka teo no ho eo, niova ho olona Inalasompatra vonon-kanitsaka an’ilay maingoka, saingy ny an’ilay maingoka no lasa aloha, notsatohany ilay olona ka nitsirara tamin’ny tany. Tsy maty Inalasompatra tsy akory fa tsy nahavita niova intsony. Koa niova saka goavambe ilay atody angavola dia nataony teli-moka toy ny totozy Inalasompatra.
Nitodika tany amin’ny raiamandreniny sy ny zokiny Imbahitrila, nitazona lefona sy basy lava izy sady nihazakazaka no nikiakiakiaka. Tora-kovitra anefa ny raiamandreniny sy ny zokiny sady nifompona nandohalika sady nitalaho hoe milelaka faladia, mifon-jato, mifona arivo, fa ataovy mpiambina ny vavahadinao izahay raiamandreniny ary ireto zokinao ataovy mpamafa ny tranonao fa aza vonoina.
Dia nijanona Imbahitrila. Dia nekeny izany, tsy novonoina ireto olona efa nifofo ny ainy, fa nataony mpanompony kosa.