Anganon'ny Ntaolo - 63) Akanga maro tsy vakin'amboa

Nandeha nankany an’ala hono ilay raim-pianakaviana sy ny zanany telo mirahalahy.

Anganon'ny Ntaolo - 63) Akanga maro tsy vakin'amboa
audio-thumbnail
63
0:00
/187.584

Nandeha nankany an’ala hono ilay raim-pianakaviana sy ny zanany telo mirahalahy. Fa mialohan’izay, nasainy nofehezina avokoa ny rantsan-tanan’izy telo mirahalahy, ary rantsana iray ihany sisa no tsy nofatorana izay tsy inona fa ny fanondro.

Rehefa tonga tany an’ala, dia nipetraka ny iadany ka niteny tamin’ny zanany hoe izahao kely ny lohako fa misy hao angaha.

Fahiny tokoa, lava volo avokoa ny olona, na ny lahy na ny vavy, ary misy hao indraindray.

Dia nifampijery ireo zanany sady nilaza hoe fanondro tokana ve hahazo hao. Dia nangorakoraka ny iadany nahare izany sady niteny hoe, toy izany koa ny olona, tsy mahavita zavatra irery loatra, ary izany no nahatonga ilay fiteny hoe:

Tondro tokana tsy mahazo hao.

Dia nony lasa lavidavitra dia nasain’ny iadany nampita ireo omby maro nentiny nanaraka azy ireo ny zanany. Nisy mamba ilay ony nefa nataony ihany. Dia tafita soamantsara ireo omby. Dia gaga ireo zanany hoe nahoana no tsy lanin’ny mamba. Dia hoy ilay iadany sady nisento ihany hoe izany ilay firaisankina, tsy sahin’ny hafa atao inona loatra rehefa miaraka maro ka izany no nahatonga ilay fiteny hoe:

Mita be tsy lanin’ny mamba.

Dia lasa indray ry zareo ary nifanena tamin’ny akanga maro. Dia nasain’ny iadany namporisika ny alikany ny zanany hanaikitra ireo akanga. Kinanjo nifandrotehan’ireo akanga ilay alika ka nikonainaina fotsiny niverina. Dia gaga ireo zanany hoe alika ve dia ho resina akanga. Fa hoy ilay iadany hoe izany rehefa miray hina, tratran’ny maro noho ny vitsy ilay alika, ary izany no nahatonga an’ilay fiteny hoe:

Akanga maro tsy vakin’amboa.

Variana izy telo mirahalahy ary nisaintsaina an’izany rehetra izany nony nody.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨