Anganon'ny Ntaolo - 55) Ny nofin'izy telo mirahalahy zanany
Narary hono ity rangahy indray andro ka nantsoiny ireo zanany telo mirahalahy.
Narary hono ity rangahy indray andro ka nantsoiny ireo zanany telo mirahalahy.
Tsy fantatro na ho lasa amin’izao aho, hoy izy, na tsia, fa mandehana ianareo telo mirahalahy mody any amin’ny vady aman-janakareo, dia manofisa, makà tsindrimandry anio alina, ka miverena aty rahampitso maraina dia tantarao anahy izany.
Dia lasa izy telo mirahalahy nody, ka nony maraina, dia avy izy ireto nitantara.
Nanonofy aho hoe namoaka mamba avy ao anaty rano, hoy ilay lahimatoa.
Ny mamba moa dia voay ihany.
Hoy indray ilay lahiaivo:
Nanonofy aho hoe nibata akondro 7 fototra.
Ary hoy ilay faralahy hoe:
Nanonofy aho hoe nandrary lamba.
Nihaino tsara ilay rangahy, nony avy eo, niteny izy hoe mandehana vorio ny fokonolona fa hizara fanana aho.
Dia novoriana ny fokonolona, ka hoy ilay rangahy hoe:
Ny androatokon’ny fananako dia omeko an’Ifaralahy, ny ampahatelony kosa dia an’izy mirahalahy zokiny.
Gaga ireto zokiny.
Ny tsy fantany, efa nizaha toetra an’izy telo mirahalahy ny rainy.
Fantany fa ny lahimatoa dia maka ny tsy azy, hitany taratra tamin’ilay mamba, hoe manao ampihimamba, ary hambotry ny an’ny olona.
Ny lahiaivo kosa dia mandainga lava, tsy hahazaka akondro fito fototra izany izy, ary ny mamitaka ny fanaony.
Ny faralahy no fantany fa tsy hanao izay hambotry ny mpîara-belona ary tsy hanala-baraka ny anarany.