Anganon'ny Ntaolo - 2) Andrianaolaola

Nanambady an-dRasoavorindriaka i Andrianizaozao

Anganon'ny Ntaolo - 2) Andrianaolaola
audio-thumbnail
2
0:00
/278.592

Nanambady an-dRasoavorindriaka i Andrianizaozao. Nony bevohoka anefa Rasoavorondriaka dia lasa niantafika Andrianizaozao ary maty tany an’ady.

Rehefa lehibebe ilay zanany antsoina hoe Andrianaolaola dia hitan’ny reniny nianatra nampiasa antsamotady sy lefona ary niahiahy izy sao hiady toa an-drainy ary ho faty any koa.

Ny atao hoe antsamotady dia fitaovam-piadiana antsoina koa hoe pilotra.

Indray andro àry nanontany Andrianaolaola hoe iza no rainy. Nandainga anefa Rasoavorindriaka reniny ka nilaza hoe tsy manana ray izy. Tsy nino izany anefa Andrianaolaola ary niteny mihitsy hoe aiza koa no misy an’izany, saingy nidrikina ny reniny.

Ka niteny tamin’ny mpanompony i Andrianaolaola hamatotra ny reniny mandrapitenenany ny marina. Dia nibaboka Rasoavorindriaka hoe maty tany an’ady ny rainy, ary natahotra izy fandrao hanaradia azy ny zanany no tsy notenenany izany.

Aiza, ry neny, no tany nahafatesany?, hoy i Andrianaolaola, Any atsimo, sa any avaratra?
Any avaratra, hoy ny reniny.

Dia lasa i Andrianaolaola nitady ny fatin’ny rainy niaraka tamin’ny vahoakany
Nony tonga tany amina toerana be fasana nitandahatra, dia hoy ny maty tao am-pasana:

Zovy izany mankaty am-balamenan’Andrianizaozao izany?
Izaho Andrianaolaola, izay miharana ny maty sy mikatsaka ny velona.

Ny atao hoe miharana dia mitady.

Dia nihady fasana niaraka tamin’ireo mpanaradia taminy i Andrianaolaola ary rehefa azony ny fatin’ny rainy dia nitodi-doha ry zareo.

Isaky ny misakafo i Andrianaolaola dia nasiany vongam-bary hatrany tao am-bavan’ny rainy koa velona ny rainy rehefa akaikin’ny vohitra hodiany.

Teneno i neny hoe: mirandràna, fa velona ny vadinao, hoy i Andrianaolaola tamin’ny mpanompony

Dia lasa izy ireto, saingy tsy nino ny reniny hoe velona ahoana koa àry raha tsy nidrikina ireto mpanompony nony avy eo, tsy nety nirandrana.

Rehefa vita randrana Rasoavorindriaka izay vao nety niditra tao an-tanàna i Andrianaolaola sy i Andrianizaozao rainy ary ireto mpanompony, ary akory ny hafalian’ny reniny nahita ny vadiny velona soamantsara ary ny zanany tafody.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨