Anganon'ny Ntaolo - 8) Loza ny mialona

Indray andro hono nisy mpirahavavy telo te hanambady.

Anganon'ny Ntaolo - 8) Loza ny mialona
audio-thumbnail
8
0:00
/281.568

Indray andro hono nisy mpirahavavy telo te hanambady. Ny nahavariana dia olona iray, ingahindriana izay, no samy tian’izy telo mirahavavy vadiana.

Koa samy nirehareha tamin’ilay ingahindriana avokoa izy telo mirahavavy mba ho safidiny ho vady nefa tsy nisafidy ilay ingahindriana ny farany fa nalainy vady avokoa izy telo mirahavavy.

Fahiny tokoa, dia tsy olana mihitsy ny manambady maro, tsy olana rahateo ny misarapanambadiana sady tsy mahamenatra. Ilay faravavy antsoina hoe Rafara kosa no tiany indrindra noho ny hatsaran-tarehiny sy ny hatsaran-toetrany. Nialona izany ireto zokiny.

Indray maka àry, nandeha nitady omby ilay ingahindriana, lasa elaela mihitsy, nefa Rafara bevohoka efa ho teraka. Dia teraka soamantsara Rafara ka nony tonga ny alina dia nalefany naka kitay ny mpanompony. Nifanena tamin’izy mirahavavy anefa ity mpanompo ka norahonan’ireto dia notereny hilaza amin’ny olona hoe novonoin-dRafara izy. Raiki-tahotra izy ka nanaiky handainga.

Afaka kelikely teo, dia nangalarin’izy mirahavavy ny zanaky Rafara ary natsipiny tany anaty renirano dia avy eo izy nandainga tamin’ny olona hoe niteraka maritoa sy vodi-kifafa Rafara. Nino ny olona ka avy hatrany dia noroahiny Rafara. Noroahiny ho any ivelan-kady, izany hoe ivelan’ny tanàna, ary teny no nanamboarany trano tomboka.

Izany hoe trano bongo vita amin’ny rantsan-kazo, tsy misy rindrina.

Nony maraina ny andro, raha nitazatazana teo amoron-drenirano ​Ranakombe mpivady mpisikidy​ dia nahita vata nandalo sy nahare feon-jazakely nitomany. Fantampantany ilay vata, fantany hoe an’ilay ingahindriana ka hoy izy mivady hoe:

​Raha vatan’ingahindriana iny, mivilia aty aminay!​

Dia nivily nankeny aminy ilay vata, dia nosokafany, ka notrotroiny ilay zazakely. Avy eo, nankao an-trano izy mivady dia novelariny ny sikidy. Tamin’ilay alalan’ilay sikidy no nahafantarany hoe zanaky Rafara ilay zaza koa notaizany tsara ilay zazakely mandrapahatongan’ilay ingahindriana.

Tonga avy nihaza àry ilay ingahindriana. Natao tao am-bala ireo omby maro azony dia nanontany izy hoe fa nankaiza Rafara. Notenin’ilay mpanompony azy. Taitra ilay ingahindriana ka nihazakazaka nankany amin’ny trano tomboka nisy an-dRafara teny ivelan-kady. Nahia Rafara ary nalahelo ny endriny. Zara raha nihinan-kanina izy ary mety tsy nihinana mihitsy raha tsy ilay mpanompony onena azy nanatitra sakafo mangingina mba tsy ho hitan’izy mirahavavy zokiny.

Nanaraka an’ilay ingahindriana avy aty aoriana izy mirahavavy ka avy hatrany dia noteneniny taminy ireo lainga. Rafara tsy nahateny. Tsy nahateny ihany koa ilay ingahindriana. Izy mirahavavy etsy andaniny faly ery fa mody tsy mampiseho.

Teo indrindra no tonga Ranakombe mivady mpisikidy nitrotro ny zanak’ilay ingahindriana sy Rafara. Akory ny hafalian-dRafara. Nihazakazaka izy namonjy an-janany izay efa noheveriny hoe maty ary noraisina dia notrotroiny. Nihoron-koditra izy mirahavavy notantarain-dRanakombe ny tena marina.

Nivoaka ny marina.

Saika novonoin’ilay ingahindriana avy hatrany izy mirahavavy fa hoy Rafara hoe aleo izao, aleo roahina lavitra any ka tsy mahazo miverina intsony. Dia nanaiky ilay ingahindriana, dia nody izy telo mianaka, falifaly. Ilay mpanompony koa falifaly.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨