Anganon'ny Ntaolo - 9) Ingalingalivola sy Ikalampisimba

Indray andro hono nisy tovovavy antsoina hoe ​Ingalingalivola​ nifanena tamina olona antsoina hoe ​Ikalampisimba​.

Anganon'ny Ntaolo - 9) Ingalingalivola sy Ikalampisimba
audio-thumbnail
9
0:00
/293.216

Indray andro hono nisy tovovavy antsoina hoe ​Ingalingalivola​ nifanena tamina olona antsoina hoe ​Ikalampisimba​.

Ny atao hoe ngaly dia mainty, ary ny misimba kosa dia manisy ratsy na mamosavy.

Hoy Ikalampisimba:

​Endrey izato hasoan’ny tarehin’indriako. Saingy misy tsininy kely, tsy ampy nifim-boay!​

Dia nony nody Ingalingalivola dia niteny tamin’ny dadany izy hoe izaho tadiavo nifim-boay. Tsy nety kosa ny dadany, fa masiaka ny voay hoy izy. Ny anadahiny no nahare ilay resaka no lasa nihaza voay. Notofiriny ny basy dia maty, dia nendahiny ny nifiny dia nomeny ny anabaviny.

Faly ery ny anabaviny nankany amin’Ikalampisimba, nefa hoy indray ity farany:

​Endrey izato hasoan’ny firavak’indriako. Saingy misy tsininy kely, tsy ampy tandro-dalomena​!

Dia nony nody Ingalingalivola dia niteny tamin’ny dadany izy hoe izaho tadiavo tandro-dalomena.

Ny atao hoe lalomena dia hippopotame kely nisy fahiny, nisy tandroka izy io.

Tsy nety anefa ny dadany fa masiaka ny lalomena hoy izy. Ny anadahiny no nahare ilay resaka no lasa nitady lalomena. Nolefoniny ilay lalomena, dia nendahiny ny tandrony dia nomeny ny anabaviny.

Faly ery ny anabaviny nankany amin’Ikalampisimba, nefa hoy indray ity farany:

​Endrey izato hasoan’ny firavak’indriako. Saingy misy tsininy kely, tsy ampy rambona zanaka mamokora.​

Ny atao hoe mamokora dia olona nanana rambo maranitra hono rehefa lehibe, rehefa mbolakely kosa izy dia mirehitra toy ny afo ny rambony.

Dia nony nody Ingalingalivola dia niteny tamin’ny dadany izy hoe izaho tadiavo rambona zanaka mamokora.

Tsy nety anefa ny dadany fa masiaka ny mamokora hoy izy. Ny anadahiny no nahare ilay resaka no lasa nitady mamokora. Notapahany tamin’ny antsy ny rambona zanaka mamokora iray indray alina izay dia nomeny ny anabaviny.

Faly ery ny anabaviny nankany amin’Ikalampisimba, nefa hoy indray ity farany:

​Endrey izato hasoan’ny firavak’indriako. Saingy misy tsininy kely, tsy ampy masona masoampatana.​

Dia nony nody Ingalingalivola dia niteny tamin’ny dadany izy hoe izaho tadiavo masona masoampatana.

Ny atao hoe masoampatana dia karazan’olona rehefa matory dia esoriny ny masony ka apetrany eo am-patana.

Tsy nety kosa ny dadany fa masiaka ny masoampatana hoy izy. Ny anadahiny no nahare ilay resaka no lasa nitady masoampatana. Nangalarina indray alina izay ilay maso, dia nomeny ny anabaviny.

Faly ery ny anabaviny nankany amin’Ikalampisimba, nefa hoy indray ity farany:

​Endrey izato hasoan’ny firavak’indriako. Izao ianao vao tena lafatra ary raha tsy zanak’Andriamanitra tsy mendrika haka anao ho vady.​

Dia nony nody Ingalingalivola dia niteny tamin’ny dadany izy hoe izaho hanambady ny zanak’Andriamanitra. Tsy nety kosa ny dadany fa masiaka Andriamanitra hoy izy. Ny anadahiny no nahare ilay resaka no lasa nitady ny zanak’Andriamanitra. Iny handeha haka an-keriny ny zanak’Andriamanitra iny anefa izy mirahalahy no nolefonin’ilay zanak’Andriamanitra ka maty.

Dia nalahelo fatratra Ingalingalivola, ny dadany ihany koa nalahelo sady tezitra ka avy dia naka basy handeha hamono an’Ikalampisimba. Efa tsy hita intsony anefa izay nalehan’Ikalampisimba, efa lasa izy nitady olon-kafa mora hadalaina hafa indray.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨