Anganon'ny Ntaolo - 34) Isilakolona nody an-tanàna
Nony tonga tany an-tanànan-drainy izy telo lahy zokin’Isilakolona dia nolazainy fa matiny ireo ampalamananoho izay mbola tsy nisy nahafaty ka faly ny rainy nahare izany.
Nony tonga tany an-tanànan-drainy izy telo lahy zokin’Isilakolona dia nolazainy fa matiny ireo ampalamananoho izay mbola tsy nisy nahafaty ka faly ny rainy nahare izany. Nitondra ny lohan’ireo ampelamananoho kosa anefa izy ireto ho porofo ka nampisinda ny ahiahin’ny rainy izay mahina ihany.
Namory vahoaka izy ka nanontany farany hoe tena ialahy isany mihitsy no namono ireto ampelamananoho. Dia mbola nandainga izy ireto, nanamafy hoe eny.
Nihoraka ny vahoaka nahare ny vaovao saingy nisy tamin-dry zareo kosa nilaza hoe lainga izany, nitomany aza no nataon’ireo fa Isilakolona no tena namono nahafaty ireto ampelamananoho ka raha tsy noho Isilakolona dia efa tao am-bilia ireto zanany telolahy.
Dia nantsoina àry Isilakolona. Nanamafy izy hoe eny tokoa. Ireto zokiny telolahy mbola nanohy ny laingany ka hoy Isilakolona taminy hoe misy ampelamananoho ao ivelany ao efa vonona hiditra ato ka andao hiady aminy. Tonga dia nangovitra nipararetra ireto zokiny, avy eo nitsoaka nandositra niaraha-nahita teo, dia nino ilay rainy hoe Isilakolona tokoa, efa nahiany rahateo ireto zanany telo lahy hoe nandainga.
Tsy afa-nanoatra Andrianjatovo afovoan’ny tany rainy fa nihorakoraka ny vahoaka ary nitaky an’Isilakolona hatao mpanjaka. Koa lasa mpanjaka izy, nantsoiny ny reniny ho eo anilany, ary nataon’ny rainy ho lasa mpanompony kosa ireto zokiny.