Anganon'ny Ntaolo - 19) Ramanahadreny sy Rakotojabo
Taona vitsivitsy taty aoriana, mbola tsy nisy nahazo vady ihany Ramanahadreny.
Taona vitsivitsy taty aoriana, mbola tsy nisy nahazo vady ihany Ramanahadreny. Tamin’izay fotoana indrindra no nisy an’ilay atao hoe Rakotojabo. Mahantrahantra izy io, saingy kinga sy lalin-tsaina ary mahay zavatra. Tsara toetra koa izy. Tapaka àry ny heviny fa ndeha izy haka vady an-dRamanahadreny.
Vao tsy niala lavitra akory Rakotojabo, dia sendra lambo sy ny zanany. Nanontany izato lambo hoe ho aiza ity aleha. Dia namaly izy hoe ndeha haka vady fa mba amboloy kely raha ho vanona ny diany na tsia, fa tanaraka mpanimbolo ny lambo.
Ny atao hoe manimbolo dia mamanantatra amin’ny orona fofona.
Dia nanimbolo ireto lambo ka nilaza izy hoe ho lavorary ny dian-dRakotojabo.
Nony lasa lavidavitra izy dia nisy arosy nitarika anaka teo amoron-drano nanontany azy hoe ho aiza izy ary inona izato entiny.
Ny atao hoe arosy dia karazana dokotra.
Dia novaliany hoe haka vady izy ary nolazainy hoe vatsy izato entiny, na koa hoe sakafo rehefa handeha hivahiny lavitra. Niangavy ilay arosy hoe noana loatra ny zanany fa sao dia afaka manome hanina kely. Dia nanome Rakotojabo, ary nilaza ilay arosy hoe ilazao raha misy ny mahory.
Afaka kelikely indray, sendra vitsika nivangongo teo amina hazo maina sy boboko Rakotojabo. Dia nanontany koa ireto hoe ho aiza izato aleha. Dia namaly izy. Dia nitsodrano izato vitsika sady niangavy raha afaka mamindra ireto zanany toerana. Dia nafindran-dRakotojabo toerana ka nilaza ilay vitsika hoe ilazao raha misy ny mahory dia antsoy fandrao misy azonay atao.
Dia nifanena tamin’ny moka sy ny zanany Rakotojabo. Dia nanontany ireto hoe ho aiza izato aleha. Dia namaly izy. Dia nitsodrano ilay moka sady niangavy sao afaka mitsentsitra azy ireto zanany fa tsy salama. Dia nanaiky Rakotojabo. Dia sitrana ireo zanamoka sady nisaotsaotra daholo no niteny hoe ilazao raha misy manjo sao dia misy azonay atao.
Dia nifanena tamin’ny lalitra Rakotojabo. Dia nanontany ireto sao dia misy hanina any fa efa ela tsy nihinana. Dia nomen-dRakotojabo hanina ireto lalitra. Ka nisaotsaotra sady niteny hoe ilazao raha misy manjo, sao dia misy azonay atao.
Tonga tamin’ny vohitry Rabenimiehaka àry Rakotojabo. Saika tsy nampandrosoan’ny olona izy noho ny fitafiny malotoloto ary raha tsy nahay nidrikina sy niangavy izy tsy nanaiky Rabenimiehaka nampanao ireo zavatra rehetra efa nasainy nataon’Andriambahoaka efa-dahy.
Nefa akory ny hagagany fa voasany soamantsara ilay tany. Tsy iza fa ireo lambo no nanampy azy. Tapany ihany koa ilay hazobe. Tsy iza fa ireo vitsika no nanampy azy. Azony ilay vola tao anaty kamory. Tsy iza fa ireo arosy no nanampy azy. Hitany hoe iza no
voalohan’omby. Tsy iza fa ilay moka no nanoro azy. Ary fantany hoe iza no Ramanahadreny. Tsy iza fa ilay lalitra no nanoro azy.
Variana Ramanahadreny, tena variana izaitsizy manoloana an-dRakotojabo. Rabenimiehaka kosa sady gaga no faly ka hoy izy:
“Mahasoava, mahatsarà, lehiroa: miteraha lahy amana vavy ; maroa fara, maro dimby ; fa zara ho an’ialahy!”