Anganon'ny Ntaolo - 20) Zanak'Ifaranomby
Indray andro hono, nanana vady ankitelo Andriambahoaka atsimo.
Indray andro hono, nanana vady ankitelo Andriambahoaka atsimo. Ifaranomby no tiany indrindra amin’ireo vadiny, ary bevohoka be izy ity, nefa tsy maintsy nandeha niantafika Andriambahoaka atsimo.
Koa nanafatra izy hoe ametrahana roapolo lahy sy roapolo vavy hiambina an’Ifaranomby ka tsy misy mahazo manatona azy afa-tsy ireo ihany sao sanatria hisy hamosavy ka maty eo.
Nony teraka anefa izy, somary variana teny daholo ireo mpiambina, dia nanararaotra niditra ireo vadin’Andriambahoaka atsimo roa hafa. Nanaterany sakafo nisy poizina Ifaranomby izay tsy nanampo na inona na inona, nihinana soamantsara, ka maty ny alin’iny ihany.
Efa lehibebe ilay zanak’Ifaranomby, mbola tsy tafaverina hatrany ny rainy Andriambahoaka atsimo. Rehefa manontany an’ireto vadin’ny rainy ankiroa izy hoe iza no reniny, dia mahazo vava hatrany hoe olona tsy haninon-tsy haninona ny reniny sady nanary anazy. Koa nalahelo ny fony nahare izany.
Nisy mpanompony anankiray kosa no nangoraka azy ka niteny azy ny marina, hoe Ifaranomby no anaran’ny reniny ary natorony ihany koa ny fasany. Dia nandeha nankany izy nony avy eo, nitondra tsora-kazo, ka natsatony teo an-doha-fasana izany, ary naniry tsara nony avy eo.
Ireo vadin’Andriambahoaka atsimo tamin’izay efa mahimahina mantsy an’ilay zanak’Ifaranomby sao hivoaka eo ihany ny marina.