Anganon'ny Ntaolo - 22) Itoerambolafotsy sy ny hafatry ny raimandreniny
Indray andro hono, nanana zanaka vavy tokana Andriambahoaka afovoan’ny tany.
Indray andro hono, nanana zanaka vavy tokana Andriambahoaka afovoan’ny tany. Itoerambolafotsy no anarany ary izay nirin’izy io, nomeny azy avokoa.
Hadiva hodimandry Andriambahoaka mivady nony efa lehibebe Itoerambolafotsy, ka namela hafatra tamin’ny anabaviny telo, ka hoy izy hoe:
Avy ity izay hodianay mivady mandry, ry izy telo mirahavavy. Ka indro, Itoerambolafotsy, apetrakay aminareo telo mirahavavy. Koa aza avela ho noana, aza jeren-tsy hitafy. Anaro raha tsy hendry, hentero raha maditra, nefa aza anatra mampamoy fo, aza hentitra loatra ka ny hatezerana no mibaiko. Aza atao monimanaraka. Aza atao sarakolona.
Ny atao hoe monimanaraka dia olona tsy manan-tsafidy izy tenany fa manaraka izay tenenin’ny olona fotsiny. Ny atao hoe sarakolona kosa dia olona lavitra ny havana, lavitra ny fianakaviana, lavitra olona, fa irery.
Aza latsaina. Aza atao hoe tsy naterakay. Nefa tsy manafatra mpitsara izahay, fa tsy olon-kafa io, fa naterakareo ihany koa. Raha tsy tianareo Itoerambolafotsy, dia izahay no hadinonareo. Koa tiavo, fa hahavaly fitia, satria zanaky ny efa nanao, ka tsy azo lazain-tsy hahay. Ary raha sanatria ka tianareo ihany izy nefa tsy tia anareo fa hanao toy ny atodim-boay nokotrehim-borona ka nony foy hanaikitra na hanao toy ny ombilahy navotana tamin’ny honahona ka nony tafarina hanoto, raha sanatria manao toy izany izy, anaro hatrany, fa misy antony ao, zahao ny antony, manàna faharetana, ahitsio ny famindra, fa misy antony ao.
Fotoana fohy taty aorian’ny nanaovan’Andriambahoaka afovoan’ny tany mivady ny hafatra sy ny dinidinika dia nodimandry izy mivady. Ary notezain’izy telo mirahavavy tsara, ary hendry tsara.
Nony lehibe Itoerambolafotsy, dia tonga ny zanak’Andriambahoaka atsinanana haka azy ho vady. Dia nirahin’Itoerambolafotsy ny mpanompony ankiroa antsoina hoe Ikoto sy Ifara hizaha izay tadiaviny. Izy rahateo te hizaha toetra an’ilay tovolahy ka nasainy noloaran’Ifara ny masaka ary natokon’Ikoto ny manta. Dia rehefa avy nihinana ilay zanak’Andriambahoaka atsinanana dia hoy izy hoe lavorary ny fihinanana fa ny naleha mbola tsy hita fototra. Dia nasain’Itoerambolafotsy noroahina ilay tovolahy fa hoy izy hoe tsy izy no tena nalehany fa hanina fotsiny. Dia lasa Ikoto sy Ifara nitatitra izany tany amin’ilay tovolahy.
Tonga indray ny zanak’Andriambahoaka avaratra. Dia nirahin’Itoerambolafotsy Ikoto sy Ifara hizaha izay tadiaviny sy handroso hanina azy toy ny tamin’ny zanak’Andriambahoaka atsinanana teo ihany. Nandà kosa ny zanak’Andriambahoaka avaratra. Tsy ny masaka no nihaviako, tsy ny manta no nalehako aty hoy izy.
Gaga Itoerambolafotsy, ka niroso avy hatrany nankany amin’ny toerana nisy ny zanak’Andriambahoaka avaratra izy ary nanontany hoe raha tsy ny masaka no nihaviany, tsy ny manta no nalehany dia inona kosa. Dia namaly ilay tovolahy hoe ny fitiavany an’Itoerambolafotsy. Dia lasa avy hatrany Itoerambolafotsy niresaka tamin’ny fianakaviany sy ny vahoakany raha mety ny hanambadiany ny zanak’Andriambahoaka avaratra. Nanaiky ireto farany. Faly Itoerambolafotsy. Dia nivady izy roa. Itoeramahamaly no anaran’ilay tovolahy.