Anganon'ny Ntaolo - 23) Itoerambolafotsy sy ilay mpialona
Nony ren’ilay zanak’Andriambahoaka atsinanana hoe nanaiky ho vadin’Itoeramahamaly Itoerambolafotsy dia velom-pialonana izy.
Nony ren’ilay zanak’Andriambahoaka atsinanana hoe nanaiky ho vadin’Itoeramahamaly Itoerambolafotsy dia velom-pialonana izy. Satria hono izy tsy neken’Itoerambolafotsy, dia tsy ekena hoe hisy olon-kafa hahazo azy. Koa indray alina, dia notsatotsatohany anivona maranitra ny varavaran’Itoeramahamaly sy Itoerambolafotsy. Nony vita izay, dia nodonina mafy dia iny izy no lasa.
Ny atao hoe anivona dia karazan-kazo maranitra fanao zanatsipika na flêche fahiny.
Taitra Itoeramahamaly nahare ilay varavarana mipoapoaka, noheverina ho jiolahy manafika, ka avy izy dia nihazakazaka, nony tonga teo am-baravarana anefa dia nitsatotsatoka tamin’ny vatana ireo anivona maranitra ka nikiakiaka mafy izy. Taitra ny iray tanàna, taitra koa Itoerambolafotsy ary vao mainka izy taitra nahita ny ra nandriaka.
Mafy ny nahazo an’Itoeramahamaly, ary ny ainy mihitsy no ahiana koa lasa Itoerambolafotsy nankany amin-dRanakombe mivady mba hitsabo an’Itoeramahamaly. Naharitra elaela ny fitsaboana, fa sitrana soamantsara ihany.
Ny tao an-tanàna tamin’izay efa mahina hoe ilay zanak’Andriambahoaka atsinanana no nahavanon-doza. Malaza ho be fialonana izy io, ary betsaka no nahare ny hasosorana raha tonga tany aminy ny vaovaon’ny fanambadian’Itoerambolafotsy moa ny alin’ny loza nitranga izy, tsy nisy nahita tao an-tanàna ary ny ampitson’iny izy falifaly sy niteny tetsy sy teroa hoe matiko matiko.
Naelin’Itoeramahamaly àry ny vaovao hoe maty izy, ka hoe mitady mafy ny zanak’Andriambahoaka atsinana ho vady Itoerambolafotsy. Faly ery ity farany ka tonga tokoa haka vady an’Itoerambolafotsy. Vao tonga izy, dia hoy Itoerambolafotsy taminy hoe nijaly mafy izy tamin’Itoeramahamaly ary akory ny hafaliany fa maty ilay vadiny.
Nefa tsy haka vady aho, hoy izy, raha tsy ilay olona nahafaty an’Itoeramahamaly.
Niteny avy hatrany ilay zanak’Andriambahoaka atsinanana hoe izy ilay mpamono. Mody tsy nino anefa Itoerambolafotsy ka nanontany izy hoe raha ianao marina ilay mpamono dia teneno àry hoe toy ny ahoana no nahafaty azy. Dia notantarainy teo daholo ny zava-drehetra, ary nahazo antoka Itoerambolafotsy hoe izy tokoa ilay mpamono. Teo no nipoitra Itoeramahamaly sy tovolahy nitan-defona maromaro, koa nogadraina avy hatrany ilay zanak’Andriambahoaka atsinanana.