Anganon'ny Ntaolo - 24) Ifaravavimanombana sy ny sikidy nanavotra azy

Indray andro hono, nisy an’izany lehilahy atao hoe Rafatidrambiby nangataka an’Ifaravavimanombana ho vady.

Anganon'ny Ntaolo - 24) Ifaravavimanombana sy ny sikidy nanavotra azy
audio-thumbnail
24
0:00
/114.08

Indray andro hono, nisy an’izany lehilahy atao hoe Rafatidrambiby nangataka an’Ifaravavimanombana ho vady. Tsy nanaiky ity farany, koa tezitra mafy Rafatidrambiby dia nankany amin’ireo biby nanao fati-dra taminy. Fosa sy antamba ireto biby nanao fati-dra taminy.

Ny atao hoe antamba dia karazana fosa, biby masiaka dia masiaka.

Ny tanjony dia tsotra, ny hamono an’Ifaravavimanombana. Ary nanaiky ireto biby, hoy izy hoe:

Matokia!

Ny renin’Ifaravavimanombana tamin’izay efa nanana tsindrimandry ihany. Ny rainy rahateo mpisikidy koa rehefa nitantara ny nofiny tamin-drangahy ramatoa, hoe nisy bibidia ankiroa mikasa hamono an-janany, dia avy hatrany dia namelatra sikidy rangahy.

Akory ny hatairany nony hitany hoe marina ny tsindrimandrin’ny vadiny.

Namelatra sikidy fanindroany izy nizaha hoe aiza no handosiran’ny zanany, hianatsimo sa hianavaratra sa hiantsinanana sa hiankandrefana. Hianavaratra hoy ny sikidy, koa nasainy nandositra nianavaratra avy hatrany Ifaravavimanombana. Raha tsy nandositra tamin’izany fotoana izay izy, dia tratran’ilay fosa sy ilay antamba, ary matiny teo.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨