Anganon'ny Ntaolo - 25) Ifaravavimanombona nitsoaka fosa sy antamba

Nihazakazaka mafy Ifaravavimanombana hitsoaka an’ilay fosa sy ilay antamba nanenjika azy.

Anganon'ny Ntaolo - 25) Ifaravavimanombona nitsoaka fosa sy antamba
audio-thumbnail
25
0:00
/244.32

Nihazakazaka mafy Ifaravavimanombana hitsoaka an’ilay fosa sy ilay antamba nanenjika azy. Efa nanimbolo azy mantsy ireto biby, ka efa fantany hoe nianavatra.

Nony nahita mpiandry omby Ifaravavimanombana dia niangavy azy ireo hamonjy azy. Hoy anefa izy ireo hoe na ny tenany aza handositra. Tsy tafandositra anefa ireto mpiandry omby fa norambasan’ireto bibidia mbamin’ny omby. Vitsy sisa niangana. Ifaravavimanombana kosa tafatsoaka.

Nahita mpijinja vary indray Ifaravavimanombana dia niangavy azy ireo hamonjy azy. Hoy anefa izy ireo hoe na ny tenany aza handositra. Tsy tafandositra anefa ireto mpijinja vary fa norambasan’ireto bibidia. Vitsy sisa niangana. Ifaravavimanombana kosa tafatsoaka.

Nahita mpitari-bato indray Ifaravavimanombana dia niangavy azy ireo hamonjy azy. Hoy anefa izy ireo hoe na ny tenany aza handositra. Tsy tafandositra anefa ireto mpitari-bato fa norambasan’ireto bibidia. Vitsy sisa niangana. Ifaravavimanombana kosa tafatsoaka.

Nony afaka kelikely, tojo renirano Ifaravavimanombana, ary nisy lakana tetsy ampita, nisy tovolahy teo akaiky, ka niangavy Ifaravavimanombana hoe mba vonjeo izy. Dia nita rano ilay tovolahy sy ny lakana, dia nasainy niditra Ifaravavimanombana, ka lasa izy roa nita rano indray.

Tonga avy any ilay fosa sy antamba, avy dia nilomano namikiviky nanatona an’Ifaravavimanombana. Avy kosa dia nolefonin’ilay tovolahy ka maty tsy tra-drano ilay fosa sy ilay antamba. Koa dia niara-nifaly tamin’ilay tovolahy sy Ifaravavimanombana ny tao an-tanànan’ilay tovolahy.

Nanontany ilay tovolahy hoe nahoana izato biby masiaka no te hamono azy. Dia notantarain’Ifaravavimanombana azy ny zava-niseho. Hoe ny rainy mpisikidy ary ny reniny misy tsindrimandry no nanoro azy hianavaratra satria fantany angaha hoe aty ianao. Dia talanjona ilay tovolahy izay tsy iza fa Andriambahoaka avaratra sady nangataka vady azy izy. Nanaiky Ifaravavimanombana, nanaiky ny ray aman-dreniny, ary niadana izy roa, sady niteraka mpandova ho an’ny fanjakany.

Rafatidrambiby kosa, ilay naniraka ireo biby masiaka hamono an’Ifaravavimanombana, dia lasa adala, tsy hita intsony izay nalehany, vao maty ilay fosa sy ilay antamba.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨