Anganon'ny Ntaolo - 26) Zanaka vavin'Andriambahoaka afovoan'ny tany sy ireo vorombola
Indray andro hono, nanan-janaka Andriambahoaka afovoan’ny tany
Indray andro hono, nanan-janaka Andriambahoaka afovoan’ny tany, mpirahavavy ireto zanany ary nisy vorombola mivady izay tao am-parihy tao atsinanan-tanànany, tian’izy mirahavavy fatratra ary nanaterana hanina isaky ny milalao eny amorom-parihy eny.
Notezeran’ny ray aman-dreniny anefa izy mirahavavy, halan’izy ireto ireo vorombola, ka noraràny izy mirahavavy tsy hitondra hanina ho an’ireo vorombola intsony. Nalahelo izy mirahavavy nefa tsy nanakana azy tsy hitondra hanina ho an’ireo vorombola izany, nafeniny tamin’ny ray aman-dreniny fotsiny.
Kandrefa, ela ny ela, fantatry ny ray aman-dreniny ihany ka nanirahany olona hamono ireto vorombola. Maty ny iray, ny iray kosa tapa-pe sy tapa-kelatra. Onena ny fon’izy mirahavavy nahita izany, sady ilay iray sisa velona tsy nahatelin-kanina intsony koa nanapa-kevitra izy mirahavavy handositra hiala tao an-trano.
Tsy hitan’izy mirahavavy anefa hoe ho aiza izy ka nivenjivenjy teny fotsiny.
Noana.
Nangetaheta.
Vizana.
Ary soa ihany fa nisy an’izay atao hoe Andriambahoaka andrefana izay no nifanena tamin’izy roa, nihaino ny tantarany, onena azy roa ka nanapa-kevitra ny handray azy roa tany amin’ny fanjakany.