Anganon'ny Ntaolo - 27) Imbahitrila
Indray hono, nisy mpivady nanan-janaka fito mirahalahy, ka ny faralahy dia olona ny ilany ary hazo kosa ny ilany, ary Imbahitrila no nataony anarany.
Indray hono, nisy mpivady nanan-janaka fito mirahalahy, ka ny faralahy dia olona ny ilany ary hazo kosa ny ilany, ary Imbahitrila no nataony anarany.
Namandri-borona àry izy fito mirahalahy indray andro izay, ary ny an’izy enina mirahalahy voalavo no azony, moa ny an’Imbahitrila kosa, akanga. Niloa-bava ireto zokiny hoe hovonoiny ilay voalavo satria miditriditra anaty fandrika fotsiny ka tsy ahazoany vorona. Namindra fo anefa Imbahitrila hoe aza vonoina fa aleo hatakalo akanga.
Faly ery ireto zokiny nahare izany. Dia natao ny takalo. Nony lasa ny zokiny, dia notenenin’Imbahitrila moramora ilay voalavo hoe avotsony fa mba tsarovy izy indray andro rehefa misy ny sarotra.
Dia namandri-borona indray izy fito mirahalahy andro vitsivitsy taty aoriana, ka ny an’izy enina mirahalahy papango no azony, moa ny an’Imbahitrila kosa, akanga. Nialona mafy ireto zokiny, ary noteneniny indray hoe hovonoiny ilay papango satria miditriditra anaty fandrika fotsiny ka tsy ahazoany vorona tsara. Namindra fo hatrany anefa Imbahitrila hoe aza vonoina fa aleo hatakalo akanga.
Faly ery ireto zokiny nahare izany ary raikitra ny takalo. Nony lasa ny zokiny, dia notenenin’Imbahitrila moramora ilay papango hoe havotsony fa mba tsarovy izy indray andro rehefa misy ny sarotra. Rehefa tonga tany an-trano anefa ireto zokiny dia nanontaniany ny raiamandreniny hoe iza no tiany, Imbahitrila sa izy enina. Nieritreritra kely ny ray aman-dreniny, dia namaly hoe izy enina mirahalahy. Dia nafoiny Imbahitrila, izany hoe, noroahiny hiala ny trano. Nomeny fananana kosa, dia omby, ondry, osy, gisa ary akoho mivady avy. Avy eo nanamboarany trano bongo teo amoron’ala.
Nony tafapetraka kelikely tao Imbahitrila, dia nisy tovolahy nanatona, nanontany hanina fa noana izy. Dia nokarakarain’Imbahitrila sakafo ilay tovolahy. Rehefa injay voky, dia nanontany izy maninona no mitoetra irery ety amina toerana mangina Imbahitrila. Dia notantarainy. Rehefa vita ny tantara, dia nanontany ilay tovolahy sao dia afaka maka voankazo ho azy Imbahitrila. Avo ilay hazo, nefa hoy Imbahitrila hoe tsy maninona. Dia nananika ilay hazo, saingy nianjera ka torana.
Notsotsofin’ilay tovolahy izy. Rehefa taitra, dia hoy ilay tovolahy taminy hoe indro omeko an’ialahy atody angavola, karazam-borona hafakely izany, ka izay zavatra tian’ialahy angataho aminy avokoa.
Dia lasa ilay tovolahy, dia mbola tsy tonga saina loatra Imbahitrila saingy falifaly ery izy nahare izany.