Anganon'ny Ntaolo - 28) Imbahitrila malemy nariana, matanjaka vao tadiavina

Fotoana fohy taorian’ny nandehanan’ilay tovolahy sy nametrahany an’ilay atody angavola dia nisy songomby nivoaka avy tao anaty ala nikasa hambosika an’Imbahitrila.

Anganon'ny Ntaolo - 28) Imbahitrila malemy nariana, matanjaka vao tadiavina
audio-thumbnail
28
0:00
/323.072

Fotoana fohy taorian’ny nandehanan’ilay tovolahy sy nametrahany an’ilay atody angavola dia nisy songomby nivoaka avy tao anaty ala nikasa hambosika an’Imbahitrila.

Ny atao hoe songomby dia biby fahiny lehibe toy ny omby mpihinana olona izay misy milaza fa tsy nisy akory fa natao fampitahorana ny zaza amin’ny alina fotsiny.

Navoakan’Imbahitrila avy hatrany ilay atody angavola sady niteny haingana izy hoe ataovy resiko io songomby io. Dia nisy tapa-kazo nihintsana teo akaikiny ka natsipiny tany amin’ilay songomby. Tafintohina ity biby ka nianjera mafy. Vao izy nianjera iny anefa, tsy niandry ela Imbahitrila fa tonga dia naka lefona izy dia nolefoniny ka maty.

Nony ren’ireo zokiny enin-dahy hoe nahafaty songomby Imbahitrila, dia tsy nanaiky izy ireo raha tsy nanontany ny raiamandreniny hoe aiza no misy biby lehibe sy masiaka hovonoina. Tsy noteneniny tamin’ny ray aman-dreniny kosa hoe nahafaty songomby anie Imbahitrila ary noho izany indrindra no anton’izao fanontaniana izao. Nandà mafy ireto raiamandreniny hoe aza mitady an’izany fa matimaty foana eo.

Nefa nidrikina ireto zanany ka nolazainy ihany hoe misy an’izany biby antsoina hoe ampelamananoho izany, mbola tsy nisy nahita hoe toy ny ahoana fa raha vao avy lavitra fotsiny, dia mipararetra sy mihetsiketsika ny ravin’ireo hazo manodidina. Dia lasa izy enina mirahalahy tany amin’ilay toerana natoron’ny raiamandreniny hoe nisy ilay biby. Kinanjo vao nipararetra sy nihetsiketsika ny ravin’ireo hazo dia lasa nandositra izy enina.

Imbahitrila kosa no sendra nandalo, nahatazana an’ilay biby manenjika ireo zokiny no avy hatrany dia nihani-kazo dia nitsambikina teo ambonin’ilay biby ary tsy niandry ela akory fa tonga dia nodidiany tamin’ilay sabohany ny tendan’ilay ampemananoho ka nitrena tokana dia nikodia. Maty nony tsy ela.

Ny atao hoe saboha dia karazana lefona fohifohy.

Gaga ireto zokiny nitazana ny fandresen’Imbahitrila ary nony azony antoka hoe maty tokoa ilay biby masiaka dia nanatona izy ireo ka nanontany hoe azony entina ve ny tandroka sy ny lelan’ilay ampelamananoho. Tsy nandà Imbahitrila.

Dia lasa izy ireto nody sady nieboebo tamin’ny raiamandreniny hoe ry zareo no namono an’ilay biby masiaka ka faly ireo raiamandreniny hoe manana zanaka lehilahy sahy sy matanjaka.

Dia lasa fanaon’ireto zokiny izato izy. Mitady biby masiaka izy ireto, dia Imbahitrila no asainy mamono azy, dia mieboebo any an-tranony hatrany hatrany.

Saingy indray andro kosa, tonga tao an-tanàna ilay tovolahy nomen’Imbahitrila sakafo rehefa nangataka ary nanome anazy an’ilay atody angavola. Nitady an’izy enina mirahalahy izy ary ny hiady aminy no tanjony satria reny hoe izy enina mirahalahy no nahafaty biby masiaka maro dia maro.

Nitsoaka nandrositra anefa izy enina mirahalahy vao nahare izany koa gaga ireto raiamandreniny hoe fa ahoana loatra. Dia teo ilay tovolahy no nilaza tamin’ireo raiamandreniny hoe tsy ireo zanakareo enina ireo izany no nahafaty an’ireo biby masiaka maro fa Imbahitrila. Dia variana izy mivady ka nanafatra an’ilay tovolahy mba hiantso an’Imbahitrila.

Tsy ho avy eo anefa Imbahitrila, hoy ilay tovolahy, satria nalemy izy narianareo ary izao izy matanjaka vao tadiavinareo.

Dia lasa ilay tovolahy.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨