Anganon'ny Ntaolo - 29) Imbahitrila sy ny raiamandreniny

Nony ela niangavy tamin’Imbahitrila ny raiamandreniny hoe tongava dia nanaiky Imbahitrila ny farany.

Anganon'ny Ntaolo - 29) Imbahitrila sy ny raiamandreniny
audio-thumbnail
29
0:00
/246.816

Nony ela niangavy tamin’Imbahitrila ny raiamandreniny hoe tongava dia nanaiky Imbahitrila ny farany. Efa nanafatra ilay tovolahy, fa tsy nohenoiny ny farany. Koa lasa Imbahitrila nankany amin’ny raiamandreniny moa ilay tovolahy lasa nandeha tsy hay hoe ho aiza.

Nanao lalanom-be ny raiamandreniny. Sakafo be dia be ary toaka niraraka ompana. Dia faly Imbahitrila. Dia nisakafo Imbahitrila. Dia nisotro toaka Imbahitrila. Nataon’ireo raiamandreniny mihitsy izay hahamamo an’Imbahitrila mba hanararaotany azy.

Rehefa hitany fa mamo tsara Imbahitrila dia nanontaniany hoe ahoana loatra no namonoany an’ireny biby masiaka rehetra ireny. Dia niteny koa Imbahitrila hoe nisy tovolahy nanome azy atodin’angavola, ka io no manampy azy amin’izany. Dia vao mainka nomeny toaka Imbahitrila ka nanontaniany indray hoe aiza no misy an’io atody angavola io. Dia natoron’Imbahitrila no nisy azy, ka tsy nitsahatra ny nanome toaka azy intsony ny raiamandreniny raha tsy katry tanteraka tsy naharay tena intsony Imbahitrila.

Dia nangalaran’ny raiamandreniny ilay atody angavola ka nony maraina ny andro, lasa Imbahitrila, tsy tonga saina izy hoe lasa ilay atody angavola raha tsy efa lasa lavitra. Nitomany izy.

Nanao ratsy taminy indray ny raiamandreniny, sady nanongo tena izy hoe izy dia mbola nandeha nankany. Tsy sahy naka an’ilay atody angavola izy satria efa any amin’ny raiamandreniny ny hery. Tsaroany kosa ilay voalavo sy ilay papango navotany, dia nantsoiny. Dia nanaiky izy ireo haka ilay atody angavola satria nanavotra ny ainy Imbahitrila fahiny, sady mpinamana mandrakizay rahateo ry zareo.

Ilay voalavo niditra tao an-trano naka ilay atody angavola moa ilay papango teto ivelany nitondra izany nanidina mba ho tonga haingana any amin’Imbahitrila. Nony tafaverina tany aminy ilay atody angavola, dia nivoadivoady izy tsy hatoky ny raiamandreniny intsony.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨