Anganon'ny Ntaolo - 32) Isilakolona sy ireo ampelamananoho

Andrianjatovo afovoan’ny tany no anaran’izay mpanjaka iray izay.

Anganon'ny Ntaolo - 32) Isilakolona sy ireo ampelamananoho
audio-thumbnail
32
0:00
/255.584

Andrianjatovo afovoan’ny tany no anaran’izay mpanjaka iray izay. Nanana zanaka efa-dahy izy, ka sampona ilay farany. Ny ilany olona, ny ilany hazo, ary ​Isilakolona​ no anarany. Halan’ireto zokiny izy ity ka noteneniny mihitsy ny rainy hoe hanary azy.

Nanaiky moa ity rainy fa niteny kosa hoe hotolorana fananana kely kosa izy izay vao ariana.

Nony nandre izany ny renin’Isilakolona dia nalahelo sady niteny hoe raha ariany Isilakolona dia handeha koa izy. Nidrikina moa ity rainy koa lasa izy mianaka. Nony tafatoetra dia ny niompy alika betsaka no nataony.

Indray andro àry, nandeha hihaza ​ampelamananoho​ ireto zokiny telo lahy ka niantso an’Isilakolona.

Ny ampelamananoho, dia biby vavy mihinana olona.

Niangavy azy tsy handeha hanaraka an’ireto zokiny ny reniny, saingy nidrikina Isilakolona. Ka hoy izy hoe

Hoentiko Itambohovitsy, lehiben’ny alikako, ka raha mivovò te hanaraka ihany koa ireo alika hafa, dia avelao hanaraka. Jereo tsara kosa ny akondroko etsy atsimon-trano, fa raha malazo io, dia marary aho, raha maty io, dia maty aho.​

Dia lasa àry izy efatra mirahalahy. Feno lohan’olona ny tranon’ireo ampelamananoho, telo vavy izy ireto. Ary vao tonga kelikely izy efatra mirahalahy dia hoy ireo ampelamananoho tamy avy any:

​Tonga vahinintsika lanintsika, tonga vahinintsika lanintsika​!

Nipararetra izy telo mirahalahy zokiny, nangovitra sy nitomany fotsiny. Isilakolona kosa no avy dia nilaza hoe raha tsy omena rano izahay dia ho ratsy tsiro be, hangidy mihitsy aza.

Dia naka rano ireto ampelamananoho saingy niteny Isilakolona hoe tsy ireny karazana rano ireny no mety. Dia nanontany ireto ampelamananoho hoe fa karazana rano inona. Dia namaly Isilakolona hoe rano alaina amin’ny harato. Dia lasa ireto ampelamananoho niaraka tamin’ny harato naka rano, ka raha mbola variana niezaka mafy naka rano tamin’ny harato teo izy ireo, dia nanam-potoana nandosirana Isilakolona sy ny zokiny.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨