Anganon'ny Ntaolo - 33) Isilakolona niady tamin'ireo ampelamananoho

Rehefa avy nanovo rano tamin’ny harato elaela teo ireo ampelamananoho ka tsy nety nahazo, dia tonga saina hoe voafitaka izy ka romotra sady lasa nanenjika azy efatra mirahalahy sy Itambohovitsy, alikan’Isilakolona.

Anganon'ny Ntaolo -  33) Isilakolona niady tamin'ireo ampelamananoho
audio-thumbnail
33
0:00
/173.088

Rehefa avy nanovo rano tamin’ny harato elaela teo ireo ampelamananoho ka tsy nety nahazo, dia tonga saina hoe voafitaka izy ka romotra sady lasa nanenjika azy efatra mirahalahy sy Itambohovitsy, alikan’Isilakolona.

Mandeha mafy dia mafy izy ireto ka tsy ela dia tratrany saingy navadik’Isilakolona ho lasa ala be mikitroka kosa ilay fantaka, na ilay hazo famatoran’omby, teny aminy. Dia tsy tazan’ireto ampelamananoho ireto intsony izy, saingy nojinjainy avokoa ireo ala, ka ela ny ela, tapaka avokoa ireo hazo ka indro tazana indray izy efatra mirahalahy, ka nitsoaka indray.

Namizana an’ireo ampelamananoho ilay nijinja ala, ka tsy nahavita nihazakazaka mafy be toy inona intsony izy ireto, saingy tsy dia ela loatra ihany dia tratrany. Navadik’Isilakolona ho lasa akata matevim-be indray kosa ilay kifafa teny aminy. Dia tsy tazana intsony ry zareo, saingy nofirain’ireto ampelamananoho ireto avokoa ireo bozaka mikitroka ka indro fa tazana indray izy efatra mirahalahy ka lasa nitsoaka indray.

Tsy ela ihany anefa dia tratra, na dia efa mihavizana aza ireto ampelamananoho. Teo no navadik’Isilakolona ho lasa rano be mangeniheny ilay atodiakoho teny aminy rehefa avy napoakany teo ambony vato. Tsy hitan’ireto ampelamananoho izay natao ka rehefa nifampidinika izy ireto dia tapaka fa hosotroiny avokoa ilay rano be mangeniheny.

Ela ny ela, ritra ilay rano, ary nibontsina izaitsizy ny kibon’ireto ampelamananoho, tsy afa-nihetsika firy intsony izy ireo fa nizihitra fotsiny teny. Tsy niandry ela Isilakolona dia avy dia noteneniny Itambohovitsy alikany hoe mandehana kekero ny kibon’ireo. Mailaka ity Itambohovitsy, vetivety monja dia rovi-kibo ireto ampelamananoho ary nivoaka daholo ireo rano nateliny no sady maty izy ireo.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨