Anganon'ny Ntaolo - 35) Andriamarososa sy ny zaodahiny
Nanambady Andriamarososa indray andro. Itononambola anabavin’Andrianoranorana no vadiny.
Nanambady Andriamarososa indray andro. Itononambola anabavin’Andrianoranorana no vadiny. Nony kelikely dia nivahiny tany amin’Andrianoranorana izy mivady nefa masaka tao an-dohan’Andrianoranorana fa dia tapa-kevitra izy ny hamono an’Andriamarososa. Sao tsy mety mody eo intsony Itononambola hoy izy fa aleo hovonoina.
Dia nankany amin’ny mpisikidy izy nanontany hoe ho fatiny ve sa tsia Andriamarososa.
Aiza no hisy tsy ho fatinao, anaka, hoy ilay mpisikidy taminy.
Dia falifaly Andrianoranorana nody ka vao tonga tany an-trano izy dia nody narary rehefa nahita an’Andriamarososa. Nikoropaka ity farany sady nanontany hoe inona no azo hanampiana. Dia hoy Andrianoranorana avy eo hoe mba izahao akondron-jaza ao atsimon-tanàna.
Hoy anefa Andriamarososa anakampony hoe tsy misy akondron-jaza izany ao atsimon-tanàna fa ao avara-tanàna no misy, koa tany izy no nandeha.
Ny atao hoe akondron-jaza dia akondro kely dia kely.
Dia nirefotra ny varatra tao atsimon-tanàna, raha tany izy, efa maty.
Taitra be Andrianoranorana nahita fa tsy maty ilay zaodahiny. Dia nirahany haka akondron-jaza tany andrefan-tanàna indray. Nefa tany atsinanan-tanàna izy no nandeha dia tsy tratran’ny varatra indray.
Dia nitsangana Andrianoranorana ka niteny tamin’Andriamarososa hoe ndao hiaraka. Dia nankany anaty ala izy naotra, dia nikapa hazo, dia nanamboatra lakana anankiroa. Nony vita ilay lakana, dia nasain’Andrianoranorana nandry tao anatin’ilay voaloahany ilay zaodahiny. Avy eo, nosaronany tamin’ilay lakana faharoa dia nohomboany ireo lakana, izany hoe nofantsihany, dia navariny tao anaty ranomasina.
Lasa izy falifaly, nihevitra fa maty sempotra tao izay ilay zaodahiny.