Anganon'ny Ntaolo - 36) Andriamarososa sy ireo vorona
Nolavahan’Andrianoranorana kely ilay lakana nisy an’Andriamorasosa koa tsy ho ela intsony dia ho safotry ny rano izy ka ho faty.
Nolavahan’Andrianoranorana kely ilay lakana nisy an’Andriamorasosa koa tsy ho ela intsony dia ho safotry ny rano izy ka ho faty. Niezaka ihany izy nanosika tamin’ny tanany ilay lakana fanindroany nofantsihana teo amin’ilay lakana nisy azy fa mafy loatra ho azy izany.
Efa saika kivy izy, tsy nahita intsony izay hatao, no indro reny nisy sorohitra nipetraka teo ambonin’ilay lakana.
Kazako rasorohitra, mitady ho faty angoja aho fa mba vonjeo!
Ny atao hoe kazako dia razako ary ny angoja kosa dia ankaterena.
Nisitra ilay sorohitra sady nilaza hoe izaho aza rehefa mandalo eny amin’ny varinareo dia torahanareo fa hoe homam-bary.
Dia kivy indray izy, saingy tsy ela dia indro nisy goaika nipetraka teo ambonin’ilay lakana.
Kazako ragoaika, mitady ho faty angoja aho fa mba vonjeo!
Nigaragara feo ilay goaka sady nilaza hoe izaho aza mihelina kely amin’ny voanjonareo dia enjehinareo fa hoe mangala-boanjo.
Dia kivy indray izy, saingy tsy ela dia indro nisy papango nipetraka teo ambonin’ilay lakana.
Kazaka rapapango, mitady ho faty angoja aho fa mba vonjeo!
Tezitra ilay papango sady nilaza hoe izaho aza miserana kely an-tokotaninareo roahinareo fa hoe mangalatra akoho.
Dia kivy indray izy, saingy tsy ela dia nisy vorondreo nipetraka teo ambonin’ilay lakana.
Kazaka ravorondreo, mitady ho faty angoja aho fa mba vonjeo!
Nanontany ilay vorondreo hoe inona no homenao ahy anefa raha hamonjy anao aho. Falifaly Andriamarososa ka nilaza hoe izay tianao homeko anao avokoa. Dia namaly kosa ilay vorondreo hoe hanina kely dia ampy anahy.
Dia nifanaiky izy roa ka notsoahan’ilay vorondreo tamin’ny vavany ireo fantsika dia nanosika sisa nataon’Andriamarososa. Nony tonga teny amorom-pasika izy, dia sady nisaotsaotra an’ilay vorondreo no nanome hanina anazy no nivoady hanome hanina ny vorondreo rehetra izay tojo azy ary hanafatra taranaka ny amin’izany.
Ny tany an-tanànany tamin’io efa nihevitra avokoa hoe maty izy, izany tsinona no naelin’Andrianoranorana, hoe maty sady tsy hita faty.