Anganon'ny Ntaolo - 37) Andrianoranorana lasa fananimpitoloha
Nony tafaverina tany an-tanànany Andriamarososa dia tsy tonga dia nipoitra fa nankany amin’Andriampanovaova ary novain’ity farany ho lasa fananimpitoloha.
Nony tafaverina tany an-tanànany Andriamarososa dia tsy tonga dia nipoitra fa nankany amin’Andriampanovaova ary novain’ity farany ho lasa fananimpitoloha.
Ny atao hoe fananimpitoloha dia bibilava goavambe fito loha.
Tora-kovitra ny iray tanàna nahita an’ilay fananimpitoloha ary Andrianoranorana tonga dia nahalala hoe Andriamarososa izato izy ka ny nifompona no nataony.
Mifon-jato, mifona arivo, ranaotra, fa indreo ny ombiko atakaloko ny aiko!
Tsy izay ombin’ialahy no tadiaviko fa manana ny ampy aho!, hoy ny navalin’Andriamarososa
Mivalo tongotra aman-tanana aho, ranaotra, fa indreo ny vahoakako atakaloko ny aiko!
Ny atao hoe mivalo dia mifona.
Tsy ahoako koa izany!
Milelaka ny faladianao aho, ranaotra, fa indreto ny vady aman-janako ataoko sorona hahafaka ny hatezeranao!
Tsy mitady na inona na inona aho leity afa-tsy ny ain’ialahy ihany a!
Mamindrà fon’aina, ranaotra, fa indreo ikaky sy ineny ataoko faditry ny aiko!
Velona aho tsy tiana, noheverina ho maty vao hoe ranaotra a ranaotra!
Dia nateliny Andrianoranorana. Tsy nalahelo firy azy kosa na ny vahoakany na ny vady aman-janany na ny ikaky sy ineniny satria vonona ny hanao sorona azy rehetra Andrianoranorana hanavotany ny ainy.
Novain’Andriampanovaova ho olona izy nony avy eo dia nanamboatra trano vy tsara tarehy.