Anganon'ny Ntaolo - 38) Andriamarososa lasa Ifaniloilo

Nony taty aoriana hono dia nisy olona nitantara ny nahafaty an’Andrianoranorana toy izao.

Anganon'ny Ntaolo - 38) Andriamarososa lasa Ifaniloilo
audio-thumbnail
38
0:00
/94.592

Nony taty aoriana hono dia nisy olona nitantara ny nahafaty an’Andrianoranorana toy izao. Hafa kely ilay tantara, ary tantara hafa mihitsy. Ifaniloilo no nataony anaran’Andriamarososa.

Nisy mpanompo niteny hono Ifaniloilo hoe mikasa hamono azy Andrianoranorana, saingy tsy nino izy, ary notezerana mafy ilay mpanompo.

Ny reniny indray no niteny taminy hoe mikasa hamono azy Andrianoranorana, saingy tsy nino izy, ary notezerany mafy ny reniny.

Ny rainy indray no niteny taminy hoe mikasa hamono azy Andrianoranorana, saingy tsy nino izy, ary notezerany mafy ny rainy.

Nony ela ny ela, dia matin’Andrianoranorana izy. Ary izany hono no nahatonga ilay fiteny hoe:

Izy fanilo, izaho orana, izy nandoro ahy, izaho nanorana azy, izaho torana fa tsy maty, izy lena, fa tsy velona.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨