Anganon'ny Ntaolo - 39) Andriamatoa, Andrianaivo sy Andriampara
Nisy, hono, rangahy iray nanana zanaka telo mirahalahy.
Nisy, hono, rangahy iray nanana zanaka telo mirahalahy. Niady matetika izy ireo satria Andriamatoa, ilay lahimatoa, sarotra narahina, Andrianaivo, ilay lahiaivo, tsy mahay mandefitra, ary Andriampara, ilay faralahy, tsy nety nanoa, izany hoe nanaiky ny fizokiana.
Nalahelo ny iadany ka nipo-kevitra rangahy fa hitondra ny zanany telo mirahalahy any an’ala hizaha ny toetra ny zavatra rehetra any.
Fa amin’ny zomà heriny kosa, hoy izy, nanafatrafatra ny zanany no tongava, fa mandehana aloha mamonjy ny vady aman-janakareo tsirairay avy any.
Ny alatsinainy anefa dia tonga Andriamatoa, tsy nahandry ny andro zomà akory. Gaga ny iadany, ary nilaza hoe angaha tsy mba renao fa ny tsy nampanidina ny akoho anie ka tsy nahandry ny andro zomà. Dia nasainy nandeha.
Ny talata indray dia tonga Andrianaivo, tsy nahandry ny andro zomà ihany koa. Taitra ny iadany, ka hoy izy hoe misara-kevitra angaha isika ka nasainy nandeha.
Ny atao hoe misara-kevitra dia tsy mitovy hevitra sy fisainana.
Ny alarobia koa dia tonga Andriampara, tsy nahandry ny andro zomà ihany koa. Kivy ny iadany, ka nanontany tena izy hoe inona loatra no tsy nety tamin’ny fitaizana no dia tsy nanaraka ny teniny izy telo mirahalahy. Dia nasainy niverina Andriampara.