Anganon'ny Ntaolo - 40) Iadan'Andriamatoa, Andrianaivo ary Andriampara

Iray volana taty aoriana, tonga tany amin’ny iadany izy telo mirahalahy. Gaga ry zareo hoe fa maninona ity iadany no mandry antoandro.

Anganon'ny Ntaolo - 40) Iadan'Andriamatoa, Andrianaivo ary Andriampara
audio-thumbnail
40
0:00
/146.336

Iray volana taty aoriana, tonga tany amin’ny iadany izy telo mirahalahy. Gaga ry zareo hoe fa maninona ity iadany no mandry antoandro.

Marary aho, hoy ny iadany tamin’izy telo mirahalahy. Dia nitomany izy telo mirahalahy. Nampangina azy koa ny iadany ka hoy izy aoka izay ry zanako isany, fa marary ny an-dohako mihaino anareo mitomany.

Dia nasainy nanatona teo am-pandriana izy telo mirahalahy, dia noraisiny ny landy teo anilany dia nasainy nody sy nasainy nofolesin’ny vadiny avy.

Ny atao hoe folesina dia atao kofehy.

Dia niverina izy telo mirahalahy ka naka singany iray tamin’ilay landy voafoly izy dia nasainy notapahan-janany. Dia tapaka ilay izy.

Dia nasainy nody tany amin’ny vadiny tsirairay avy indray izy telo mirahalahy ka nasainy nanenona salaka indray.

Ny atao hoe manenona dia tisser amin’ny teny frantsay.

Dia niverina izy telo mirahalahy niaraka tamin’ny salaka ka nasainy notapahan’izy telo mirahalahy. Tsy nety tapaka toa ilay singy iray fa mafy dia mafy ilay landy rehefa natambatra ho salaka.

Teo no niteny ny iadany hoe efa hainareo izay ny herin’ny firaisan-kina sy ny maha zavadehibe azy tamin-dry zareo tany anaty ala, fa izao kosa ianareo mahita fa mahery ny fikambanana.

Dia niaiky volana izy telo mirahalahy ary nodimandry tamin-kafaliana ny iadany satria nahazo antoka fa nampita fahendrena tamin-janany.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨