Anganon'ny Ntaolo - 41) Andriamparany niangaran-dray, fa nambinin'Andriamanitra

Indray andro hono nisy ingahy lehibe iray nanan-janaka telo mirahalahy.

Anganon'ny Ntaolo - 41) Andriamparany niangaran-dray, fa nambinin'Andriamanitra
audio-thumbnail
41
0:00
/260.832

Indray andro hono nisy ingahy lehibe iray nanan-janaka telo mirahalahy. Narary ity ingahy lehibe ka tapa-kevitra fa handidy harena. Dia nantsoiny ny andriana rehetra sy ny vahoaka manontolo hihaino ny fizaram-pananany. Andriamatoa, zanany voalohany, nahazo ny be indrindra, manaraka Andrianaivo, nahazo antonony, ary Andriamparany kosa, nahazo fa kely.

Nalahelo Andriamparany koa lasa izy nitady ny fonenan’Andriamanitra. Nony elaela, dia nifanena tamina ​mpantsaka​ izy ary nanontany ireto farany hoe ho aiza izato izy. Dia notantarain’Andriamparany ny zava-nitranga. Nihaino tsara ireto mpantsaka, avy eo nanafatra hoe:

Raha mifanena amin’ny mpamitaka ianao, ialao fotsiny, raha mifanena amin’ny mpisimba ianao—mpamosavy no atao hoe mpisimba—ialao fotsiny, raha mifanena amin’ny mpamono ianao, ialao fotsiny. Ary raha mitrerona aminao ny bibidia, aza miherika na mihemotra fa zory ny dia. Rehefa tojo varavarana ianao, dia hahita Rafotsibe mibahana sady tsy miditra no tsy mivoaka, aza miarahaba akory, aza mandika azy koa anefa, fa hivonkina ho azy ny lohany rehefa fantany hoe te hiditra ianao, dia ataovy hoe “Mbay lalana, tompoko e!” dia midira​!

Nitranga avokoa ireo nolazain’ireo mpantsaka ary notanterahan’Andriamparany antsakany sy andavany avokoa. Nony tonga teo am-baravaran’Andriamanitra izy dia nanao hoe

Haody, tompoko ô!

Dia hoy Andriamanitra hoe

Haodiana e!

Ny atao hoe haodiana dia famaly ny haody, izany hoe toy ny hoe mandrosoa.

Dia novelarin’Andriamanitra ny tsihy madio fatratra teo avara-patana. Tsy nipetraka teo anefa Andriamparany fa teny atsimom-patana. Dia notoloran’Andriamanitra vilia volafotsy izy.Tsy nihinana tamin’izay anefa Andriamparany fa tamin’ny vilia tany izy no nihinana. Nony avy nisakafo, dia nanontany Andriamanitra hoe inona izato mahasahiran-kendrika an’Andriamparany.

Dia notantaran’Andriamparany taminy ny alahelony. Dia hoy Andriamanitra taminy hoe mandria àry aloha, fa alina ny andro. Dia natory Andriamparany.

Nony maraina ny andro, dia nanaovan’Andriamanitra ankifidy Andriamparany.

Ny atao hoe ankifidy dia kilalaon-tsaina, karazana ankamantatra saingy misafidy amin-javatra ankiroa kosa.

Alao izay ho anao, hoy Andriamanitra, tsipitipitimanga sa izay tondraka anio manan-jara?

Ny atao hoe tsipitipitimanga dia zava-maniry madinika ary ny hoe tondraka anio manan-jara dia zavatra be dia be fotsiny.

Nieritreritra kely Andriamparany dia hoy izy: ny tsipitipitimanga no ahy, tompoko. Dia nitsiky Andriamanitra, dia nomeny zana-kazo isan-karazany Andriamparany ka nafarany izy hanao hadivory eny an-tendrombohitra avo fa hanatona eny avokoa ny zava-miaina hahasoa azy eto ambonin’ny tany.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨