Anganon'ny Ntaolo - 42) Andriamparany sy ireo zokiny nankany amin'Andriamanitra
Taty aoriana, gaga ireto zokin’Andriamparany hoe nahoana loatra no toa lasa mpanankarem-be izato zandriny.
Taty aoriana, gaga ireto zokin’Andriamparany hoe nahoana loatra no toa lasa mpanankarem-be izato zandriny. Dia nanontaniany, dia namaly soamantsara Andriamparany hoe nankany amin’Andriamanitra izy. Dia hoy ireto zokiny taminy hoe ialahy àry nomen’Andriamanitra koa izahay indray ve no tsy homeny.
Dia nitalavovoka ireto zokiny, izany hoe niolomay, na nihazakazaka ery.
Nony nifanena tamin’ireo mpantsaka izy ireto dia nanontany ireto farany hoe ho aiza izato ianareo. Dia namaly ireto zokiny, kinanjo rehefa saika hanoro azy ireto mpantsaka dia hoy ny navaliny hoe Andriamparany aza tonga tany, mainka fa izahay, tsy mila atoro lalana hono izy sady nilanja orona, izany hoe niavona.
Dia nifanena tamin’ny mpamitaka, dia voafitaka, nifanena tamin’ny mpamosavy, dia solafaka, fa mbola afaka nanohy ihany, dia nifanena tamin’ny mpamono, dia niady, efa saika resy fa nandresy ihany, saingy voa mafy ihany, dia nifanena tamin’ny bibidia nitrerona, dia niherika sady nitsoaka nandositra. Avy eo, tojo an’ilay rafotsibe dia sady niarahaba no nanao hitsindalana.
Nony tonga teo am-baravaran’Andriamanitra dia sady nandondona no niditra. Efa tafiditra vao re namaly Andriamanitra hoe mandrosoa.
Novelarin’Andriamanitra ny tsihy madio teo avara-patana, dia nivoretaka teo izato izy, notolorany vilia vola dia nandray dia nihinana sy nihosanosana.
Nony voky, dia nanontany Andriamanitra hoe inona ny antondiany, dia namaly izy hoe mba te handroaka harena toa an’Andriamparany koa izy. Dia hoy Andriamanitra hoe batao àry izay zakanareo. Dia faly ery izy roa lahy ka avy dia nalainy avokoa izay zavatra hitany sarobidy rehetra tao an-trano dia lasa izy nandeha.
Nony tafavoaka anefa, ny andro efa maizina, ny entany mavesatra dia mavesatra, izy roa lahy koa sady vizana no solafaka no naratra moa ny lalany tsy hitany intsony hoe aiza. Dia mandraka ity ny androany hono mbola mitady izay tokony ho lalany hatrany izy roa lahy.