Anganon'ny Ntaolo - 43) Ifaralahy diso fangataka

Nankany amin’Andriamanitra hono Ifaralahy indray andro, hangataka harena fa malahelo sy fadirovana hono izy.

Anganon'ny Ntaolo - 43) Ifaralahy diso fangataka
audio-thumbnail
43
0:00
/208.32

Nankany amin’Andriamanitra hono Ifaralahy indray andro, hangataka harena fa malahelo sy fadirovana hono izy. Dia tsy nangataka ny hahazo izany ho mandrakizay hono Ifaralahy fa ao anaty fe-potoana voatondro fotsiny ihany. Dia nomen’Andriamanitra azy izay nangatahany.

Tapitra anefa ny fe-potoana ary nirahin’Andriamanitra ny zanany hamono azy, araka ny fifanarahana.

Vao tazan’Ifarahalahy avy lavitra izy, dia tonga dia fantany ary nikoropaka izy ka noravahany karazana firavaka avokoa na ny tamboho na ny trano hanomezana voninahitra an’ilay zanak’Andriamanitra tonga hamono azy. Ary nony tonga dia norosoiny hanim-py isan-karazany.

Dia onena ilay zanak’Andriamanitra nahita ny fikirizan’Ifaralahy hiaina. Hitany hoe niezaka mafy mihitsy Ifaralahy ka niverin-dalana izy.

Nony notantarainy tamin-drainy ny zava-nitranga, dia niantso fanalo vitsivitsy izy hamita ny iraka.

Ny atao hoe fanalo dia tandefona mahay sy be herim-po ary mailaka, fanalo ihany koa no dikan’ny héros amin’ny teny malagasy.

Dia lasa ireto fanalo ary vao tazan’Ifaralahy avy lavitra dia nitaintaina fatratra izy, tsy hitany loatra izay natao fa dia nampiany ny karazana firavaka nandravaka tetsy sy teroa ary nampiany ihany koa ny hanim-py isan-karazany.

Dia variana ireto fanalo sady ravoravo nihinana no onena nahita ny fikirizan’Ifaralahy hiaina koa dia niverin-dalana ihany koa izy ireo.

Gaga dia gaga Andriamanitra ary vaky fanontaniana tamin'ny tenany hoe fa inona loatra àry izato mampahonena an-janany sy an’ireto fanalo koa tapaka ary ny heviny fa izy tenany mihitsy no ho any amin’Ifaralahy.

Vao hitan’Ifaralahy avy lavitra dia nipararetra izy ary ny hany sisa nataony dia navoakany avokoa izay harena amam-piravaka rehetra nananany ary nataony teny amin’ny tamboho, trano, teny amin’ny rehetra teny, teny amin’ny lalana, ary nony tonga Andriamanitra dia niankohoka tamin’ny tany izy ary notolorany antsy maranitra ka hoy izy hoe tonga ity ny fotoana.

Dia variana Andriamanitra nijery azy, etsy ankilany, efa nifanarahana ilay izy, hoe maty izy rehefa tonga ny fe-potoana, etsy andaniny, ny harena rehetra azony tamin’ny fifanarahana efa nafoiny avokoa, ary izy tsy mitsoaka fa mitonon-tena.

Dia nitsiky Andriamanitra.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨