Anganon'ny Ntaolo - 44) Andriamihamina nitady vady

Nitady vady hono ilay tovolahy atao hoe ​Andriamihamina​ indray andro ka nankany amin’​Ikakibe​ tao an-tanàna izy.

Anganon'ny Ntaolo - 44) Andriamihamina nitady vady
audio-thumbnail
44
0:00
/330.336

Nitady vady hono ilay tovolahy atao hoe ​Andriamihamina​ indray andro ka nankany amin’​Ikakibe​ tao an-tanàna izy.

Haody ry Ikaikibe!
Mandrosoa tompoko, zovy moa ianao?
Andriamihamina ihany ry ikaky a! Dia odianao tsy fantatra indray moa izaho ity!
Hanky va re! Mandrosoa anaka, mankanesa etsy avara-patana etsy!

Dia noresahan’Andriamihamina taminy ny faniriany hoe te hanambady izy fa tsy nahita ary nanontaniany hoe toy ny ahoana ny mba tokony hatao raha te haka vady any andafin’ny riaka.

Dia hoy ikaikibe taminy hoe ampio kely aloha anaka amin’ny raharaha ato an-trano. Dia nanampy azy Andriamihamina nandamina ny tranony.

Nony vita izay dia hoy ikakibe:

Mitondrà ampongabe sy zava-maneno isan-karazany, dia tsofy tsara ireo zava-maneno ary veleso tsara ny ampongabe!

Mbola tsy nahay nively ampongabe sy nitsoka zava-maneno Andriamihamina nefa tsy nahakivy anazy izany fa lasa izy nitady mpampianatra rehefa avy nisaotsaotra an’Ikakibe.

Nony ela ny ela nahay ihany izy, ary rehefa avy nisaotsaotra an’ilay mpampianatra izy dia lasa naka lakana ary niampita ho any an-dafin’ny riaka.

Nony tojony avy lavitra ilay vohitra lehibe, dia nolevesiny ilay ampongabe sady notsofiny ilay zava-maneno, dia niakatra ilay vohitra izy nony tonga teny.

Nitangorona ny olona nony tonga teny am-bavahady izy.

Misy vahiny tonga hamangy anareo tompoko, hoy izy.
Ndeha ampandrosoy àry izy​, hoy ny tao an-tanàna.

Namono omby ny olona tao an-tanàna dia niara-nihinina ry zareo. Nony voky kosa dia hoy ny ​rain’Ifaranomby​ hoe

Trarantitra ianareo, tompokolahy, aza marofy, inona ange izato antondianareo, fa matahotahotra ihany ny zaza amam-behivavy, satria tsy mbola nisy olona nanao tahaka izao nataonao izao niakatra taty​

Hoy kosa Andriamihamina:

​Mitady vady aho ka mba omenao an’Ifaranomby sa tsia?​

Taitra ilay rain’Ifaranomby saingy hoy izy namaly hoe:

Raha vitanao ny mamantatra sy mampiteny an’Ifaranomby amin’ireo vehivavy rehetra ato an-tanàna ireo dia omeko anao ho vady izy.

Dia novoriana ny vehivavy tao an-tanàna. Maro tamin’izy ireo no mitovitovy endrika amam-bika ka sahirana i Andriamihamina raha tsy natoron’Ikakibe talohan’ny nandehanany mba hitondra takolapanenitra hamantarana an’Ifaranomby.

Satria izy irery ihany tokoa no matahotra takolapanenitra fadiranovana ao an-tanàna ka tsy hahatana izy raha tsy hitsoaka sady hikiakiaka hiantso neny.

Dia navoakan’Andriamihamina tsimoramora ilay takolapanenitra dia nalefany nankeny amin’ireo vehivavy maro be. Nony afaka kelikely dia indro nisy tovovavy anankiray nikiakiaka sy nitsoaka sady niantsoantso hoe:

​Maty aho, neny a!​

Dia hoy Andriamihamina hoe iny àry Ifaranomby fa vitako ny namantatra azy sady vitako ny nampiteny azy. Dia gaga ny rainy sady niteny hoe teny nifanekena moa ka atao ahoana.

Nony azon’​Ifaranomby​ antoka kosa fa tsy eo intsony ilay takolapanenitra dia hoy izy:

Tsy olana, saingy izao kosa, peperoko ianao andriamatoa fa izaho tsy maka kitay, tsy mitoto vary, tsy mitaon-jezika ary tsy milatsaka an-tsaha, fandrao ianao mantsy ho diso fanantenana, mbola afaka miova hevitra!

Hoy Andriamihamina hoe tsy olana izany. Dia lasa izy roa nandeha, nisy mpanompon’Ifaranomby antsoina hoe Itambarira kosa nasain’ny reniny nanaraka an’izy roa tany.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨