Anganon'ny Ntaolo - 45) Andriamihamina sy Ifaranomby ary ​Itambarira

Nony niala teo ambony lakana Andriamihamina sy Ifaranomby ary ​Itambarira mpanompovaviny dia hoy ity farany tamin’Ifaranomby

Anganon'ny Ntaolo - 45) Andriamihamina sy Ifaranomby ary ​Itambarira
audio-thumbnail
45
0:00
/254.816

Nony niala teo ambony lakana Andriamihamina sy Ifaranomby ary ​Itambarira mpanompovaviny dia hoy ity farany tamin’Ifaranomby:

​Ndao isika ry Ifara handro kely!​

Tsy nety Ifaranomby tamin’ny voalohany, saingy tsy naharitra izy ny farany ka niteny tamin’Andriamihamina hoe mandehana aloha fa handro kely ry zareo.

Dia nony tafiditra tao anaty rano izy roa vavy dia hoy Itambarira tamin’Ifaranomby:

​Ndao isika ry Ifara hanao antsitrika ka izay tsy mahalasa lavitra amintsika tsongoina!​

Ny atao hoe antsitrika dia fomba filomanosana milentika any anaty rano sady misosa ao ka raha tsy elaela tsy mitranga erỳ lavidavitra.

Nanaiky ​Ifaranomby​, dia niara-nitsoboka, kinanjo vetivety teo dia nivoaka Itambarira ka ny lamban’Ifaranomby no nanaovany dia lasa izy namonjy an’Andriamihamina.

Satria moa mitovitovy avokoa ny vehivavy tao an-tanàn’Ifaranomby dia nitovitovy ihany koa Itambarira sy Ifaranomby ka tsy hain’​Andriamihamina ​hoe Itambarira anie izy ity fa noheveriny ho Ifaranomby, ny lambany rahateo nanaovany

​Fa aiza ny mpanomponao ry Ifara?​”, hoy izy mantsy an’Itambarira.
​Manaraka antsika ao aoriana ao ihany izy!​, hoy Itambarira tsy taitra.

Ifaranomby tamin’izay gagagaga tsy nahita intsony an’Itambarira ary vao mainka gaga tsy nahita intsony ny lambany hany ka ny lamban’Itambarira no tsy maintsy nanaovany.

Dia nihazakazaka izy nanenjika an’Andriamihamina sy Itambarira ary nony tratrany dia hoy izy hoe:

​Andriamihamina ô, tsy izaho io, fa Itambarira, ny soa navelanao, fa ny ratsy nentinao​!

Hoy kosa Itambarira:

​Odre! Tsy haiko izay lazain’ity mpanompoko ity fa raha hino azy ianao mandehana!​

Dia tsy nino azy Andriamihamina fa sady nihomehy no lasa ihany.

Koa kivy Ifaranomby, nitomany, nalahelo.

Sendra nandalo kosa tamin’izay Ikakibe nony efa tsy teo intsony ry Andriamihamina ka nanontany hoe inona ity manjo. Dia notantarain’Ifaranomby taminy, dia nihaino tsara Ikakibe ka nony vita ilay tantara, dia lasa izy nandeha kely, nony niverina izy dia namoaka takolapanenitra ka nitabataba niantsoantso neny Ifaranomby.

Dia nitsiky ​Ikakibe​, izay izy vao tena nino hoe Ifaranomby tokoa ity miresaka aminy ity ary marina no nolazainy.

Ka hoy izy hoe:

​Mbola maniry ny hanambady olona tsy mahalala tsara anao sady nanary anao toy izany tokoa ve ianao, anaka?​

Taitra Ifaranomby nahare izany. Naka saina kely izy, dia hoy izy nony avy hoe:

Marina ny anao, ry Ikakibe!​

Sady nitsiky Ifaranomby no namafa ny ranomasony.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨