Anganon'ny Ntaolo - 46) Indesoka sy ireo namana ratsy

Tapany olona ary tapany biby hono Itrimobe, ary mpihinana olona izy.

Anganon'ny Ntaolo - 46) Indesoka sy ireo namana ratsy
audio-thumbnail
46
0:00
/179.84

Tapany olona ary tapany biby hono Itrimobe, ary mpihinana olona izy.

Ifara no anaran’ny vadiny ary Indesoka kosa zanany vavy.

Indray andro, nantsoin’ny zazavavy namany hantsaka Indesoka, andraso kely, hoy izy, fa mbola mihinam-bary, kinanjo nilaozan’ireto namany.

Nony tonga tany Indesoka, dia indreto ireto zazavavy fa tsy misy mitondra siny, Indesoka irery no mitondra siny tsara tarehy.

Vaky avokoa ny sininay, hoy izy ireto taminy, fa mba vakio koa ny anao amin’izay mba mitovy isika!

Nisalasala Indesoka, natahotra izy sao hovonoin’Itrimobe fa nitalaho iretsy zazavavy dia tsy naharitra izy fa novakiany.

Dia nihomehy ratsy ireto zazavavy nilaza azy ho namany sady namoaka ny sininy avy tao ambadika vato izy no nandatsa an’Indesoka.

Nitomany Indesoka ary lasa izy nitsoaka nankany amin-dRanakombe mpisikidy nanontany hoe ahoana ny ataony fa sao ho matin’Itrimobe eo.

Dia hoy Ranakombe taminy hoe mihinàna atodiakoho manta dia hiova toy ny feon’ny renin’ilay zazavavy ireny ny feonao ka asaivo manatitra siny any aminao izy raha tsy izany bedy be.

Dia nataon’Indesoka izany, ary natahotra mafy ilay zazavavy ka nateriny tany amin’Indesoka ilay siny hany ka nony tafody Itrimobe dia tsy fantany akory hoe tsy sininy anie ilay tao an-trano, satria nitovy tsy nisy valaka ilay izy.

Fantatr’Ifara renin’Indesoka ilay tantara ary lasa ny sainy hoe indray andro any, tsy maintsy ho matin’Itrimobe Indesoka koa tsy maintsy mihetsika izy.

Ary haingana.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨