Anganon'ny Ntaolo - 47) Tsy azo isorohana ny todin'aina

Tapaka ny hevitr’​ Ifara​ renin’Indesoka fa handeha hamono an’​Itrimobe​ izy, satria na ho ela na ho haingana tsy maintsy hovonoin’Itrimobe ny zanany ary hohanina avy eo.

Anganon'ny Ntaolo - 47) Tsy azo isorohana ny todin'aina
audio-thumbnail
47
0:00
/152.096

Tapaka ny hevitr’​ Ifara​ renin’Indesoka fa handeha hamono an’​Itrimobe​ izy, satria na ho ela na ho haingana tsy maintsy hovonoin’Itrimobe ny zanany ary hohanina avy eo.

​Hovonoiko ianao!​, hoy Ifara tafateny mora
​Ahoana tsara hoe e?​, hoy Itrimobe
Andeha hanjono, ho’aho izaho rehefa avy eo e!, hoy Ifara niteny mafy
Hay!, hoy Itrimobe
​Ary tsy ho ela intsony​, hoy indray Ifara niteny mora ihany
​Tsy ho inona, hoy ianao?​, hoy Itrimobe nanontany indray
Tsy handeha indray, ho’aho izaho fa toa merika ity ny andro e​, hoy Ifara niteny mafy
Hay!​, hoy Itrimobe

Dia hoy izy tamin’Ifara avy eo hoe raha tsy handeha hanjono ihany izy dia ataovy ny volony.

Lava be daholo tokoa ny volon’ny olona tamin’izany, na ny an’ny lehilahy na ny amin’ny vehivavy ka matetika mila olona mikarakara azy.

Koa norandranin’Ifara ny volon’Itrimobe, ary nafatony tsara tamin’ny andry tao an-trano, na ny tanany na ny tongony, Itrimobe variana natoritory nankafy fa misy mikarakara ny volona, ka rehefa vita izay, rehefa tsy afaka nihetsika firy intsony Itrimobe, dia navoakany ny antsy dia novonoiny Itrimobe.

Dia maty Itrimobe.

Azon’Ifara sy Indesoka avokoa ny fananan’Itrimobe, ny any an-tsaha sy ny eny an-tanàna, ary tsy nisy nino ny olona hoe ireo vehivavy ireo ve dia hahafaty an’izany Itrimobe izany.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨