Anganon'ny Ntaolo - 49) Ifaramalemy nivadihan'Ikotobekibo
Tonga tamina toerana iray Ifaramalemy sy Ikotobekibo ka nisafidy ny hitoetra eo ary hanangana trano.
Tonga tamina toerana iray Ifaramalemy sy Ikotobekibo ka nisafidy ny hitoetra eo ary hanangana trano.
Nony lehibebe kosa izy mianadahy dia lasa tia tena Ikotobekibo ka tsy navelany hihaza any amin’ilay toerana be biby Ifaramalemy ary tsy nozaraina sakafo rahateo. Nanaiky tsy satry Ifaramalemy ary valala no nosamboriny hataony sakafo.
Indray andro nefa nandeha lavitra Ifaramalemy hitady sakafo ka nahita ny tranon’Itrimobe mpihinan’olona. Niandry izy ho lasa Itrimobe, dia nidirany dia nalainy izay varangan’amalona sy ronono ary tantely zakany tao izy.
Rehefa tonga tany an-trano dia tsy naharitra izy fa nomeny Ikotobekibo anadahiny. Avy dia narapany ireto sakafo ary nony lany, nanontany izy taiza no nahitan’Ifaramalemy azy ireto. Nisalasala ny anabaviny hamaly satria azony an-tsaina fa tsy haharitra izato anadahiny ka hihinam-be eo dia tsy hahazaka tena intsony satria voky loatra. Nidrikina anefa Ikotobekibo ka noteniny ihany.
Dia nankany izy mianadahy ary tanteraka ny ahiahin’Ifaramalemy. Tsy nahatana ity anadahiny fa nihinana ka nihinana dia tsy afa-nihetsika intsony fa tsy nahazaka kibo. Sahiran-tsaina Ifaramalemy, tsy ho zakany Ikotobekibo raha babeny nefa raha avelany eo ho fatin’Itrimobe. Nieritreritra izy, dia nosaronany tsihy Ikotobekibo ary nomeny lefona sy antsibe ka nafarany hoe rehefa mandalo Itrimobe dia lefony ary jinjao amin’ny antsibe. Dia lasa Ifaramalemy nivoaka niafina tany ivelany tany.
Nony tafaverina Itrimobe dia hoy izy:
Maimbo olombelona! Maimbo olombelona!
Tsy hitany anefa Ikotobekibo ka nitady eraky ny trano izy. Vao tazan’Ikotobekibo niafina tao anaty tsihy kosa fa teo akaiky Itrimobe, avy dia nolefoniny sy nojinjainy tamin’ny antsibe ka maty avy hatrany
Nipetrahan’Ifaramalemy sy Ikotobekibo ny tranon’Itrimobe taorian’izay ary nanan-karena izy mianadahy.