Anganon'ny Ntaolo - 50) Itsihitanantso nifanena tamin'ny mpaka kitay

Nisy rangahy mpanankarena izay niteraka telo mirahalahy. Itsihitanantso no anaran’ilay zokiny indrindra ary nony lehibe izy dia nonina tany an’ala ka lasa nivadika biby.

Anganon'ny Ntaolo - 50) Itsihitanantso nifanena tamin'ny mpaka kitay
audio-thumbnail
50
0:00
/339.584

Nisy rangahy mpanankarena izay niteraka telo mirahalahy. Itsihitanantso no anaran’ilay zokiny indrindra ary nony lehibe izy dia nonina tany an’ala ka lasa nivadika biby.

Indray andro àry nisy mpaka kitay tao an’ala ka hoy Itsihitanantso tamin’izy ireo hoe:

Iza no tompon’ny fananana rehefa maty iaba?

Dia namaly ireto mpaka kitay hoe:

Ialahy àry ity efa mivadika biby ka iza moa no ho tompony eo fa tsy Inaivo sy Ifaralahy zandrin’ialahy?

Tezitra Itsihitanantso nahare izany, ka avy dia novonoiny ireto mpaka kitay, dia avy nohaniny.

Taty aoriana kely, nisy mpaka kitay hafa tonga indray an’ala, dia nanontaniany indray hoe:

Iza no tompon’ny fananana rehefa maty iaba?

Dia namaly ireto mpaka kitay hoe:

Ialahy àry ity efa mivadika biby ka iza moa no ho tompony eo fa tsy Inaivo sy Ifaralahy zandrin’ialahy?

Tezitra indray Itsihitanantso nahare izany, ka nazerany tany amin’ireto mpaka kitay ny hazo be, dia maty teo, dia avy eo, nohaniny.

Lasa saina ny tao an-tanàna.

Tsy niverina avokoa izay mpaka kitay lasa.

Azony an-tsaina ihany hoe lanin’Itsihitanantso izay.

Na izany aza, sady tsy nisy sahy nanadihady akaiky no mbola lasa ihany ny mpaka kitay nankany an’ala.

Ankizivavy kely sahisahy izay no lasa nanaraka an’ireto mpaka kitay, nitsikilo izay tena marina.

Dia hitany Itsihitanantso nanontany an’ireto mpaka kitay, dia henony ny valin-tenin’ireto mpaka kitay, dia nangorintsina izy nanatri-maso ny nanaovan’Itsihitanantso taminy.

Avy hatrany izy dia lasa nitantara ny zava-nitranga tao an-tanàna, ka vory ny olona hoe inona no atao.

Ingahibe iray izay mitokamonina izay no nahita hevitra hoe raha mbola ao an’ala Itsihitanantso sarotra ny hahazoana azy fa aleo fitahina.

Dia nihaino ny olona, dia nifanaiky hoe mety tokoa izany.

Andro vitsivitsy taty aoriana, nisy mpaka kitay roa nankao an’ala ka rehefa nanontany Itsihitanantso hoe:

Iza no tompon’ny fananana rehefa maty iaba?

Dia namaly izy ireo hoe:

Ialahy ihany, satria ialahy no lahimatoa!

Dia faly Itsihitanantso nahare izany ka tsy novonoiny ireto mpaka kitay. Nony vita kosa ny kapa kitay dia hoy izy ireto taminy:

Marary mafy tokoa anie ny iaban’ialahy ry Itsihitanantso e!

Nibitaka Itsihitanantso nahare izany fa mody nafeniny ny hafaliany, dia hoy izy nandainga hoe:

Mampalahelo koa izany! Mba teneno re izaho rehefa maty izy, fa mba te handevina ny iabako aho!
Rehefa mahare poa-basy ialahy, dia maty izay ny iaban’ialahy fa henoy tsara!, hoy ny navalin’ireto mpaka kitay.

Ny ampitson’iny ihany dia nipoaka ny basy, ka nivoaka ny ala Itsihitanantso.

Alohan’ny nidirana tao an-tanàna anefa izy dia nahatazana an’ilay ingahibe nisy nively famaky ny tampon-dohany. Gaga dia gaga izy hoe tsy maty tsy naninon-tsy naninona nefa dia famaky maranitra izao.

Hoy ilay ankizivavy kely izay nanaraka anazy tsimoramora avy aoriana taminy:

Tsy laitram-pamaky ny lohan’izay misasa loha amin’iry renirano iry!


Sady natondrony tany amin’ilay renirano ny fanondrony.

Dia nihazakazaka Itsihitanantso nanatsoboka ny lohany tao anaty rano dia nankeny amin’ilay ingahibe. Mahina ihany anefa izy, ka nalainy mihitsy aloha ilay famaky dia nokapainy ny tampon-dohan’ilay ingahibe

Tsy naninon-tsy naninona. Vao mainka izy gaga sady nihogahoga hoe sady azony ny fananan’ny iabany no tsy hisy haharesy intsony izy.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨