Anganon'ny Ntaolo - 51) Ibabanikoto mivady sy ny niandohan'ny Betsimisaraka

Fahiny hono, nivadika tamin’ny olona ny tany ka tsy namokatra intsony ny tany ary izay nambolena dia tsy mba nisy naniry avokoa.

Anganon'ny Ntaolo - 51) Ibabanikoto mivady sy ny niandohan'ny Betsimisaraka
audio-thumbnail
51
0:00
/222.592

Fahiny hono, nivadika tamin’ny olona ny tany ka tsy namokatra intsony ny tany ary izay nambolena dia tsy mba nisy naniry avokoa. Koa tonga ny masovava, na ny mosarena, dia lasa lafo be avokoa ny vidin’ny sakafo hany ka maro dia maro ny olona maty ary izay nanan-karena sy nanana biby fiompy ihany no velona.

Tamin’izany indrindra no nisy an’izay olona atao hoe Ibabanikoto mivady izay. Vao nanombaka ny masovava dia nimaona niantsinana tany an’ala izy mivady.

Ny atao hoe mimaona dia mandeha haingana.

Nony tonga tany an’ala Ibabanikoto mivady dia ravin-kazo sy fakan-kazo sasany ary biby madinika no nohaniny. Tsy ela loatra dia zatra izy roa ary velona soamantsara. Taona vitsivitsy taty aoriana dia niteraka vavy roa Ibabanikoto mivady ka Rasirahovana ilay zokiny, ary Rasiravondrona ilay zandriny.

Ny atao hoe hovana dia tany misy lavaka, ny atao hoe vondrona kosa dia zavatra mitambatra, misavovona.

Taty aoriana indray, dia nifanena tamin’ny olon-kafa nitsoaka tany an’ala indray ry zareo ka niteraka Rasirahovana sy Rasiravondrona, ary niteraka indray ireto zanany.

Dia nanao teny ierana tamin’ny zanaka aman-jafiny Ibabanikoto mivady manao hoe:

Mandehana ny sasany aminareo mankany avaratra, mandehana ny sasany aminareo mankany atsimo. Kanefa aza dia sondriana amina toerana iray, ary aza misaraka izany fa mikambanàna hatrany, indrindra raha misy ny olon’antambo na mpamosavy!

Ny atao hoe teny ierana dia teny na hevitra ifanarahana, ary ny atao hoe olon’antambo dia olon-doza na olon-dratsy.

Tamin’izay hono no niandohan’ny teny hoe Betsimisaraka.

Nihodina ny taona ka niverina namokatra indray ny tany. Nanita-kevitra ny sasany tamin-dry zareo ka nahita hoe ahoana ny fandrehetan’afo. Satria tamin’izay tokoa, dia mbola tsy nisy nanao afo ny olona fa nohaniny manta izay sakafony.

Ny sasany kosa anefa tsy nety nanapa-kazo hanaovana afo fa nilaza hoe efa nomen’Andriamanitra sy ny kazana izay hahasoa koa inona no hanaovana an’izany.

Ny atao hoe kazana dia razana.

Dia nivaky roa ry zareo, ka ny sasany namboly ary nahandro ny sakafony moa ny sasany nijanona tany an’ala ka nanohy ny fiainana toy ny nataon’Ibabanikoto mivady.

Ireto nitoetra tao an’ala ireto dia sarotiny fatratra amin’ireo biby sy zava-maniry rehetra nitoetra tao an’ala ary nolazainy mihitsy aza hoe iray ihany ny olona sy biby.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨